LESONA 42

NY DATY NANOMBOHAN'NY FANADIOVANA NY FITOERANA MASINA

Misy fotoana voatondro hanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra, izany hoe ny daty hanombohan'ny fitsarana ny ankohonan'Andriamanitra. Ny taona 1844 io daty io: tamin'izay Jesosy dia niala tao amin'ny efitra voalohany ka nankao amin'ny efitra faharoa, dia ny masina indrindra, ary nanomboka ny asa tao. Raha misy fotoana hitsarana antsika, dia zava-dehibe ny hahalalana an'izany. Eo amin'izay mitondra ny anaran'Andriamanitra no manomboka ny fitsarana, mba hahitana izay nijoro tamin'ny finoany hatramin'ny farany. Koa rehefa tonga ny Tompo, dia hanavaka fotsiny ny ondry sy ny osy Izy.

1- Moa ve misy fotoana voatondro hanadiovana ny fitoerana masina?
Valiny. "Ary hoy izy tamiko: Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’ izay vao hodiovina ny fitoerana masina" (Dan. 8: 14).

Noty: Ao amin'ny faminaniana, ny andro dia mampiseho taona. (Nom. 4: 34; Ezek. 4: 6). Koa ny 2300 andro izany dia mitovy amin'ny 2300 taona.

2- Oviana no nanombohan'ny fe-potoana 2300 taona?
Valiny. Amin'ny fotoana hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema. (Dan. 9: 25).

Noty: Ny daty anombohan'ny 70 herinandro (na: 7 x 70 = 490 taona) dia mitovy amin'ny daty anombohan'ny 2300 taona (andininy 24).

3- Mety ho fantatra ve io daty hanamboarana an'i Jerosalema io?
Valiny. Eny. Ny Baiboly dia milaza fa ny taona faha- 7 nanjakan'i Artaksersesy sy Longuemain no nivoahan'io didy io (Ezra 6: 14; 7: 11- 26). Ary ny Tantara kosa dia ahalalana fa ny taona 457 talohan'i Kristy no taona faha- 7 nanjakan'i Artaksersesy.

4- Inona izany no daty nanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra?
Valiny. ny taona 1844.

Noty: Raha analana 457 ny 2300 (2300 - 457) dia manome 1843. Satria anefa tamin'ny fararanon'ny taona 457 vao nivoaka ny didy, dia tsy feno ny 2300 taona raha tsy amin'ny 1843 + 1 = 1844.

5- Manao ahoana ny fahitan'i Daniela ny fiantombohan'io Fitsarana io?
Valiny. "Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky ... ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany" (Dan. 7: 9, 10, 13).

Noty: Ny afo dia mampiseho fanadiovana sy fitsarana. Ny Zanak'Andriamanitra Izay aseho eto, dia Kristy niala tao amin'ny masina ho ao amin'ny masina indrindra. Mijoro eo anatrehan'ny Ray Izy, mba ho Mpisolovava ho antsika.


< LESONA 41                                                                                                                LESONA 43 >

Commentaires

Articles les plus consultés