LESONA 43
NY FITSARAN'ANDRIAMANITRA
Ny finoana ny fanahin'ny olona ho tsy mety maty, dia mbola manafoana koa ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fitsaran'Andriamanitra, sy mahatonga ny teolojiana hamorona lanitra sy afobe ary afo fandiovana sy zavatra hafa koa, izay lazaina fa efa misy sahady. Araka ny baiboly, dia alohan'ny hiverenan'i Kristy no hotsaraina ny vahoakan'Andriamanitra; ary rehefa avy eo kosa indray vao hotsaraina ny olon-dratsy. Ny apostoly, tamin'ny androny, dia nitory fa ny fitsarana dia mbola "ho avy" (Asa 24: 25). Koa mazava arak'izany fa tsy eo amin'ny fotoana ahafatesan'ny olona velively no itsarana azy. Mahamenatra koa fa na dia ny olona ratsy toetra indrindra araka ny hevitry ny Kristiana ankehitriny dia toa tsy hisy very mihitsy ny olombelona na mibebaka na tsy mibebaka.
1- Misy lafiny firy ny fitsaran'Andriamanitra?
Valiny. Roa, dia ny fitsarana ny marina sy ny meloka. "Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka" (Mp. T. 3: 17).
2- Nahoana ny marina no hotsaraina?
Valiny. Mba hamonoana ny fahotany izay nibebahany, na hamonoana ny anarany tsy ho anisan'ny voavonjy raha toa ka nandao ny fahamarinana izy.
3- Nahoana ny efa meloka rahateo no hotsaraina?
Valiny. Mba hampiharihariana ny ratsy rehetra nataony, sy hamerana ny fijaliana tokony hahatra aminy.
4- Inona no filamatra hitsarana ny olona rehetra?
Valiny. Ny Didy Folo (Jak. 2: 12).
5- Manao ahoana ny fizotry ny fitsarana ny marina?
Valiny. Ny Ray no Mpitsara, ny anjely no vavolombelona ary Jesosy Kristy no Mpisolovava.
6- Inona avy no boky hita ao amin'io fitsarana io?
Valiny. a)- Ny bokin'ny fiainana, izay misy ny anaran'ny olona rehetra nanaraka an'Andriamanitra; b)- ny bokin'ny fahatsiarovana, izay misy ny asa tsara rehetra nataon'ny olona; d)- ny bokin'ny fahafatesana, izay misy ny ratsy rehetra nataon'ny olona.
7- Ny inona avy eo amin'ny fiainan'ny olona no hitsarana azy?
Valiny. Ny teny sy ny atao ary ny eritreritra. "Aoka hianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana" (Jak. 2: 12).
8- Rehefa vita ny fitsarana mialoha ny fiverenan'i Kristy dia hanao ahoana ny olona?
Valiny. Rehefa vita ny fitsarana dia hakatona ny varavaram-pahasoavana, ka na dia tsy misy hamantarana izany aza ety an-tany, any an-danitra kosa dia efa voafetra izay ho anjaran'ny olona tsirairay avy. (Apok. 22: 11).
9- Inona no teny fampaherezana ho an'ny olona?
Valiny. a)- "Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina" (1Jao. 2: 1); b)- "Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho" (Apok. 3: 5).
Commentaires
Enregistrer un commentaire