LESONA 44
NY HAFATRY NY ANJELY VOALOHANY
Ny herin'ny ratsy dia hianjady mahatsiravina amin'izao tontolo izao amin'ny andro farany. Andriamanitra anefa dia tia ny olona ka manoro azy mandrakariva ny làlam-pamonjena sy mampitandrina azy tsy hanao izay mahameloka. Hita hatrany hatrany izany teo amin'ny Tantara: Noa no mpitoritenin'ny fahamarinana talohan'ny Safo-drano; Lota no vavolombelona marina tao Sodoma; Jaona Mpanao batisa no nanomana ny fon'ny olona handray an'i Kristy; ny Zanak'Isiraely no voatendry ho fitahiana ny firenena Jentilisa rehetra. Amin'izao andro izao kosa, dia misy fiangonana iray, izay miseho amin'ny endriky ny anjely telo mitondra hafatra telo sosona, mba hanomana ny tany rehetra hitsena Ilay Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka.
1- Inona no hafatra entin'ny anjely voalohany?
Valiny. "Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny
lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina
ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy
hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo
voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’
izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" (Apok. 14: 6, 7).
Noty: Ny anjely dia mampiseho fa avy any an-danitra ny hafatra; ny fanidinany eo afovoan'ny lanitra dia milaza fa ho an'ny olona rehetra izy; ny filazantsara mandrakizay ho toriny dia ny Baiboly tsy misy fangarony izany; miantso amin'ny feo mahery izy satria sady variana ny firenena rehetra no lehibe indrindra ny hafatra entiny.
2- Inona avy no ventin'ny hafatry ny anjely voalohany?
Valiny. a)- Ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fanomezana voninahitra Azy. Ny fandikan'ny olona ny Didy Folo dia mampiseho ny tsy fahatahorany an'Andriamanitra, ka amin'ny fiainany dia tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy. b)- Tonga ny andro fitsarany. Ny Didy Folo anefa no itsarana ny olona. Misy antony manokana lehibe eto izay tokony hitaona ny olona handinika ny ataony. d)- Ny fiankohofana eo anatrehan'ny Mpahary. Ao amin'ny Didy Folo dia ny didy fahefatra mampitandrina ny Sabata no mandidy antsika hiankohoka amin'ny Mpanao ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy. Noho ny fandikan'ny ankamaroan'olona, na noho ny tsy fahalalany mihitsy ny marina momba io didy io, dia misy fanairana manokana ataon'Andriamanitra mba hanamasinana ny Sabatany.
3- Inona no zava-kendren'ny hafatry ny anjely voalohany?
Valiny. "Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo" (Mp. T. 12: 13).
4- Andro inona no hivavahan'ny olon'Andriamanitra rahatrizay?
Valiny. Ny Sabata. " Tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao efa hohariko, haharitra eo anatrehako, ... isan-tSabata isan-tSabata, ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Iaveh" (Isa. 66: 22, 23 Baib. Kat.).
5- Nahoana no tsy misy andro hafa hotandremana any?
Valiny. "Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana" (Mat. 15: 13).
Commentaires
Enregistrer un commentaire