LESONA 45
NY HAFATRY NY ANJELY FAHAROA
Izao tontolo izao sy ny fiangonana kristiana, amin'ny ankapobeany, dia mandà ny hafatra entin'ny anjely voalohany. Ary noho izany fandavany izany, dia asehony ny tsy fahatahorany an'Andriamanitra. Izay mitsara ao amin'ny toerana masin'ny lanitra, sy ny tsy finoany ny fanompoam-pivavahana izay ataon'i Kristy ao, amin'ny maha-Mpisoronabe Azy. Mitondra faharavana ara-panahy izany, dia zavatra izay mitondra koa ho amin'ny faharavana ara-bakiteny, amin'ny fotoana hamalian'ny Tompo ny olona rehetra araka ny asany avy.
1- Inona no hafatra entin'ny anjely faharoa?
Valiny. "Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava
Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny
fahatezerana noho ny fijangajangany" (Apok. 14: 8).
Noty: a)- Rava! rava! Izay rehetra mandà ny hafatra voalohany dia rava ara-panahy, miandalana sy amin'ny fomba manokana aloha anefa, ka dia ny fandavana tanteraka no mahatonga ny faharavana tanteraka amin'ny farany. b)- Babylona lehibe. Babylona dia renivohitry ny fanjakana tatsinanana lehibe iray fahizay, izay nalaza noho ny famirapiratany sy ny fahamaroan'ny sarin-javatra voasokitra tao aminy. Ny Apostoly, tamin'ny androny, dia nampitaha an'i Roman'ny Amperora tamin'i Babylona; rehefa foana ny fanjakana romana ara-nofo, dia lasa foiben'ny fivavahana kristiana Roma, nefa Roma Kristiana dia nandova koa ny toetra naha-Babylona an'i Roma jentilisa. d)- Divay sy fijangajangana. Ny divay eto dia mampiseho ny fampianarany mampandraingiraingy ny saina; ary ny hoe fijangajangana dia tsy inona fampifangaroan'ny fiangonana ratsy ny vokatr'izany toetrany izany eo amin'ny mpiangony.
2- Manao ahoana ny fahitan'ny any an-danitra an'i Babylona lehibe?
Valiny. "ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN’ NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN’ NY TANY" (Apok. 17: 5).
Noty: a)- Zava-miafina. Mahay manafina ny tena toetrany lozantany Babylona lehibe, ka tsy fantatra intsony izay marina sy tsy marina ny aminy, indrindra fa efa mamon'ny divainy ny firenena rehetra ka mandroroa ny masony. b)- Renin'ny mpijangajanga. Ny fiangonana dia oharin'ny Baiboly amin'ny vehivavy; ataony hoe mijangajanga izy raha misakaiza amin'izao tontolo izao sy manao ny fanaony (Jak. 4: 4). Babylona no renin'ny mpijangajanga, ary ireo zanany dia tsy iza fa ireo fiangonana kristiana hafa izay mba mianatra ny fanaony koa, ka mitsabaka amin'ny raharaha politikan'izao tontolo izao.
3- Tokony hitoetra ao Babylona ve ny olon'Andriamanitra?
Valiny. "Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy
hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy
hahazo anareo ny loza manjo azy" (Apok. 18: 4).
Noty: Ao Babylona dia misy mpivavaka maro tso-po; antsoin'ny Tompo hoe olony izy ireny, ary asainy mivoaka, mba tsy ho voan'ny loza, rehefa horavana ara-bakiteny Babylona lehibe.
4- Hankaiza izay nivoaka avy tao Babylona lehibe sy ny zanany?
Valiny. "Ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha" (2Kor. 6: 17, 18).
Noty: Ireo mpivavaka tso-po tao Babylona dia hivoaka avy tao ka hanatevina ny laharan'ireo mpitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Kristy Jesosy.
Commentaires
Enregistrer un commentaire