LESONA 46

NY HAFATRY NY ANJELY FAHATELO

Misy zavatra roa loha izay tsy mahafaly an'i Babylona, dia ny fialan'ny ondriny sasany aminy sy ny fampiharihariana ny haratsian'ny ataony. Koa tsy ny hibebaka, na ny hamboatra izay tsy nety no imasoany, fa ny hanohitra mihitsy ny hafatra entin'ny irak'Andriamanitra. Satria mampiverina ny olona amin'ny Sabatan'i Jehovah ny irak'Andriamanitra, dia miezaka kosa izy eo andaniny, mba hanamafy ny fitandremana ny Alahady, ho mariky ny fahefany sy ho fanevan'ny miaramilany. Tena fiadiana mivantana amin'ny Mpahary anefa izany, satria fanonganana ny tsangam-baton'Andriamanitra mba hanoloana azy amin'ny tsangam-baton'ny fahalovany. Koa ny hafatra mahatsiravina indrindra hita ao amin'ny Soratra Masina, dia nampitondraina ny anjely fahatelo.

1- Inona no hafatra entin'ny anjely fahatelo?
Valiny. "Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masina sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry izy; ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany" (Apok. 14: 9- 11).

Noty: a)- Efa naseho antsika fa ny tombo-kasen'Andriamanitra dia ny Sabatan'i Jehovah, ary ny mariky ny fahefan'ny Eglizy, izay tohanan'ny Protestanta, dia ny Alahady. b)- Ny mandray ny marika eo amin'ny handrina, dia izao no heviny: manaiky sy manoa ara-tsaina sy ara-panahy ilay marika; ary izany dia tsy maintsy miseho amin'ny fiasana na tsy fiasana amin'ny andro Sabata, ka dia voalaza fa horaisina eo amin'ny tànana koa dia marika. d)- Tsy maintsy voatery hifidy ny olona: na handray eo amin'ny handriny ny tombo-kasen'i Jehovah, na handray ny mariky ny mpanohitra ny fahefany.

2- Rahoviana vao azo lazaina fa mandray ny mariky ny bibi-dia ny olona?
Valiny. Rehefa tonga lalàm-panjakana ny didim-piangonana momba ny fitandremana ny Alahady, dia amin'izay vao tsy maintsy handray, na handositra ny mariky ny bibi-dia ny olona. Hatramin'izao anefa dia tokony ho efa nifidy ny tsirairay avy, arakaraka ny fahazavana noraisiny.

3- Hampandray an-keriny ny mariny ve ny bibi-dia sy ny sariny?
Valiny. Ny bibi-dia sy ny sariny, izany hoe ireo mitovy aminy, dia hamoaka didy, mba tsy hahazo hividy na hivarotra izay tsy manana ny mariky ny bibi-dia; ary izay tsy mety miankohoka aminy dia mety hovonoiny aza, kanefa amin'izany izy, dia hihevitra fa manao ny sitrapon'Andriamanitra. (Apok. 13: 11- 17).

4- Iza irery no tokony hiankohofantsika?
Valiny. Andriamanitra irery, noho ny maha-Mpahary Azy. Ny bibi-dia kosa dia manaiky sy tia ny handohalehana eo anatrehany. Satana aza dia nilaza tamin'i Kristy fa homeny Azy izao rehetra izao raha mandohalika kely eo anatrehany Izy. (Mat. 4: 9, 10). Hitantsika amin'izany ny maha-zava-dehibe ny fahapahan-kevitra tsy maintsy hataon-tsika.

5- Aiza no hijoro ireo naharesy sy bibi-dia sy ny sariny?
Valiny. Ireo hendry ka nahafantatra fa aleo asian'i Satana (izay tsy mahafaty amin'ny fahafatesana mandrakizay) toy izay faizin'Andriamanitra (ka ho faty amin'ny fahafatesana Mandrakizay), dia hijoro eo anatrehan'Andriamanitra Tsitoha mba handray Aminy ny teny fiderana sy ny satroboninahitry ny mpandresy. "Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra" (Apok. 15: 2).

6- Iza no lazain'ireo mpandresy fa hany mendrika hiankohofana?
Valiny. Ny Tompo Andriamanitra Tsitoha. "Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao" (Apok. 15: 3, 4).


< LESONA 45                                                                                                                 LESONA 47 >

Commentaires

Articles les plus consultés