LESONA 47
NY FIHAVIAN'I KRISTY FANINDROANY
Araka ny fampanantenan'ny Tompontsika, dia mbola ho avy indray Izy haka ny zanany hiala amin'ity tany ity ho any Aminy, any an-danitra. Rehefa hiseho Izy dia hahita maso Azy ny velona rehetra, nefa izay olony ihany no ho voavonjy fa izay ratsy dia ho ringana. Ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty dia niteraka fahadisoan-kevitra betsaka eo amin'ny fiangonana kristiana, ka nanjary hadinony sy tsy fantany mihitsy aza ilay hany fanantenany. Raha tsy ho avy indray tokoa mantsy ny Tompo, dia tsy misy antony na fototra akory ny fivavahana kristiana. Akory ny tokony ho fiomanantsika handray an'io Mpanjakan'ny mpanjaka io, amin'ny fanadiovana ny toetrantsika sy amin'ny fihaingoana amin'ny teo-panahy araka an'Andriamanitra!
1- Inona no tenin'i Kristy momba ny fiverenany, talohan'ny hiakarany ho any an-danitra?
Valiny. "handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray
anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa" (Jao. 14: 2, 3).
2- Inona no antony hiverenan'i Kristy?
Valiny. "Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo" (Fil. 3: 20).
3- Hiverina ara-bakiteny ve Kristy?
Valiny. "iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia
mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra" (Asa. 1: 11).
4- Ho hita maso ve ny fihaviany?
Valiny. "Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy" (Apok. 1: 7).
5- Ho ren'ny sofina ve ny fihaviany?
Valiny. "avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony" (Jao. 5: 28). "Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana
sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty
ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha" (1Tes. 4: 16).
6- Moa ve an-tsokosoko izany fihaviany izany, sa ho hita eran-tany?
Valiny. "Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona ... ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy" (Mat. 24: 27, 30).
7- Inona no tokony ho fiomanan'izay te-ho vonona hitsena ny Tompo?
Valiny. "Koa miomàna kosa hianaroe" (Mat. 24: 44). "Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo" (Mat. 24: 42). "Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny
fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao,
ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany ...Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra
izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny
Zanak’ olona' (Lio. 21: 34- 36). "Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy
ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina
ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana
ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’
Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy" (Tit. 2: 11- 14).
8- Inona no hanjo ny ratsy fanahy amin'ny fihavian'ny Tompo?
Valiny. "hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny, amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay ..." (2Tes. 1: 7- 9).
Commentaires
Enregistrer un commentaire