LESONA 48
IREO FAMANTARANA NY FIHAVIAN'I KRISTY
Efa akaiky ny fihavian'i Kristy fanindroany. Fantantsika izany satria mandroso faingana amin'ny fahafenoany ny fahatanterahan'ny famantarana milaza ny fiverenany. Ny sasany amin'ireny, dia manondro amin'ny fomba mazava fa hisy ady, mosary, areti-mandringana, horohorontany ary fitomboan'ny faratsiana, dia zavatra izay manaitra ankehitriny noho ny fihabetsahany sy ny fitarany. Hisy koa Kristy sy mpaminany sandoka izy hahafitaka olona marobe. Nefa ny famantarana lehibe indrindra dia ny fampielezana ny Filazantsara sy ny fitomboan'ny fahalalana.
1- Inona no fanontaniana napetraky ny mpianatra tamin'i Kristy momba ny fihaviany?
Valiny. "Lazao aminay ... izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao" (Mat. 24: 3).
2- Inona no navalin'i Kristy azy ireo?
Valiny. "Ary nandre ady sy filazana ady hianareo ... ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samihafa" (Mat. 24: 6- 8).
3- Hanao ahoana ny toetry ny olona alohan'ny fihavian'i Kristy?
Valiny. "Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny" (2Tim. 3: 1- 5).
4- Noharin'i Kristy tamin'ny andron'iza izao andro izao?
Valiny. "Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona" (Mat. 24: 37). "nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy ... Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy" (Lio. 17: 26- 28).
5- Moa ve tsy efa nisy sy efa natao hatrizay hatrizay izany rehetra izany?
Valiny. Marina izany, ary na dia tamin'ny andron'i Kristy sy ny Apostoly aza dia fantany tsara fa efa nisy. Efa nisy hatrizay hatrizay ny loza sy ny atambo saingy mihabe loatra ankehitriny; efa ratsy hatrizay hatrizay ny olona saingy efa tafahoatra mihitsy izany amin'izao fotoana izao; efa nihinana sy nampaka-bady sy nivarotra hatrizay hatrizay izy, saingy ankehitriny efa zary fomba anadinoana an'Andriamanitra sy tsy araka ny sitrapony intsony ny fanaovana izany.
6- Karazam-pamitaka inona no hiseho amin'ny andro farany?
Valiny. "Kristy sandoka sy mpaminany sandoka", izay hanao fahagagana lehibe toy ny fanasitranana, ka any amin'ny toerana lavitra, na mangingina ao an-trano, no hanaovany izany. "Raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny" (Mat. 24: 36- 26).
7- Ahoana no hahazoan manavaka ny mpampianatra marina amin'ny mampianatra sandoka?
Valiny. "Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina" (Isa. 8: 20). Raha milaza ary izy fa misy rava ny didin'Andriamanitra, na dia iray aza, dia tsy irak'i Kristy izy.
8- Inona no famantarana iray manaitra voalazan'i Daniela 12: 4?
Valiny. "Maro no hazoto hivoivoy ka hitombo ny fahalalana" (ny noty ery ambany). Iaraha-mahita izany ka tsy mila hovoasana intsony.
9- Inona no famantarana farany sady lehibe indrindra?
Valiny. Ny famitana amin'ny fomba mahagaga sy haingana ny fitoriana ny Filazantsara. "Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany" (Mat. 24: 14).
Noty: Ny fitoriana ataon'ny fiangonana advantista fotsiny dia efa mahenika ny 98 isan-jaton'ny mponina eto ambonin'ny tany; ny boky sy gazety aeliny dia atonta amin'ny fiteny 228 samihafa; ny toerana fitsaboana natsangany dia misy 200, mba ho fanasitranana ny vatana tahaka izay nataon'ny Tompo koa, ets ...
10- Rehefa tonga izany rehetra izany, dia inona no ampoizintsika?
Valiny. "Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy" (Mat. 24: 32, 33).
< LESONA 47 LESONA 49 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire