LESONA 49

ARIVO TAONA ANY AN-DANITRA

Misy fanjakana atao hoe fanjakan'ny Zanaka, izay fanomanana ny fanjakana mandrakizain'ny Ray. Maharitra arivo taona izy io, ary any an-danitra no misy azy. Amin'izao fiverenany izao, dia haringan'i Kristy aloha ny ratsy fanahy velona, ary ny marina rehetra ho entiny any an-danitra; haharitra arivo taona ny fitsarana ny ratsy fanahy, ary rehefa izany, dia hidina ety an-tany ny lanitra manontolo. Hatsangan'ny Tompo ny olon-dratsy mba handraisany ao amin'ny tenany ny famaizana azy, ao anaty afo sy solifara, izay handany azy rehetra ho toy ny zavatra tsy àry. Hatolotr'i Kristy ny Ray amin'izay ny fanjakana, fa efa nofoanany ny fahavalony rehetra. Hahary lanitra sy tany vaovao ho an'ny olona Andriamanitra, sady honina eo anivony mandrakizay.

1- Haharitra firy taona ny fanjakan'ny Zanaka, ary aiza no hisy azy?
Valiny. Haharitra arivo taona, ary any an-danitra no hisy azy (Apok. 20: 1- 6).

2- Inona avy no zava-dehibe mamaritra ny fiandohan'ny Arivo Taona?
Valiny. Ny fiverenan'i Kristy amim-boninahitra, ny fitsanganan'ny marina maty, ny fanovana ny marina velona, ny fampiakarana any an-danitra ny Fiangonan'Andriamanitra tsy vaky volo, ny fandringanana ny ratsy fanahy tra-belona.

3- Inona no miseho ety an-tany mandritry ny Arivo Taona?
Valiny. Miverina amin'ny toetrany talohan'ny famoronana ny tany, ka hoatry ny lavaka tsy hita noanoa (Apok. 20: 3). "Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy ... Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona ... Nojereko, ka, indro, ny ...ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany" (Jer. 4: 23- 26). Ao amin'izany tany izany no hanagadrana an'i Satana sy ny anjeliny, mba tsy handehanany na aiza na aiza intsony. (Apok. 20: 1- 3).

4- Inona kosa no atao any an-danitra mandritry ny Arivo Taona?
Valiny. Ireo mpandresy tety an-tany dia miara-manjaka sy miara-mitsara amin'i Kristy. "Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka" (Jao.5: 22). "Koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo" (Lio. 22: 29, 30).

5- Iza avy no hotsarain'ny olo-marina amin'izany?
Valiny. a)- Ny anjely ratsy. "Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika?". b)- Ny olon-dratsy. "Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao?" (1Kor. 6: 2, 3).

6- Inona no toe-javatra mamaran ny Arivo Taona?
Valiny. Vita ny fitsarana ny ratsy, midina ety an-tany Jerosalema vaovao, miaraka amin'ny Ray sy ny anjely ary ny masina; atsangan'i Kristy ny olon-dratsy, doran'Andriamanitra amin'ny afo ny tany manontolo sy ny ratsy fanahy; fongotra ny fahotana sy ny mpanota, manavao ny endriky ny tany sy ny lanitra ny Mpahary.


< LESONA 48                                                                                                                 LESONA 50 >

Commentaires

Articles les plus consultés