LESONA 50
NY FAMAIZANA NY RATSY FANAHY SY NY FAHAFATESANA FAHAROA
Rehefa midina ety an-tany, amin'ny fiafaran'ny Arivo Taona, dia hatsangany ny ratsy fanahy. Manjary mahita zavatra hatao indray Satana, ka fitahiny sy taominy ny olon-dratsy mba hananika ny tanàna masina, dia Jerosalema izay vao tafidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra. Mino ny laingan'i Satana izy ireo ka mihevitra fa hahazo ilay renivohitra be voninahitra sy feno harem-be vava. Rehefa mahita tsara ny valisoa izay omen'ny Tompo ho an'ny olony anefa ireo, ka mientana haka ny tanàna, dia hisy afo hidina avy any an-danitra ka handany azy. Tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. Rehefa voafay araka ny asany avy ny ratsy fanahy, na anjely, na olona, dia miverina amin'ny tsy misy. Ny fampianarana moba ny afobe mandrakizay dia zavatra sady tsy miafanaraka amin'ny fitsarana marina no tsy miorina eo amin'ny Baiboly. Vokatry ny finoana ny fanahy ho tsy mety maty koa io.
1- Fitsanganana fahafiry no hitsanganan'ny ratsy fanahy?
Valiny. Fitsanganana faharoa, satria ny fitsanganana voalohany dia fitsanganan'ny marina (Apok. 20: 5, 6).
2- Rahoviana no hitsangana ny ratsy fanahy?
Valiny. Aorian'ny Arivo Taona, "fa ny sisa amin'ny maty (ny olon-dratsy izany) dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona" (Apok. 20: 5).
3- Inona no antony hananganana ny olon-dratsy?
Valiny. Mba hampiharana ny didim-pitsaran'ny lanitra amin'ny tsirairay avy. "Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny
mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny
mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra
afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa" (Apok. 21: 8). "Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy" (Apok. 20: 15).
4- Misy fomba hahazoan'ny ratsy miala tsy hianjadian'izany fitsarana izany ve?
Valiny. Tsia. "Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana
sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina
araka ny asany izy" (Apok. 20: 13).
5- Hanao ahoana ny fahatanterahan'ny famongorana ny anjely ratsy sy ny olon-dratsy?
Valiny. "Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny
mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia
handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy
hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany" (Mal. 3: 19).
Noty: Satana no fakany; ny mpanaraka azy no sampany. Samy ho levon'ny fahafatesana faharoa izy ireo, ary na dia ny fahafatesana koa aza tsy hisy intsony. (Apok. 20: 14). "Izany no fahafatesana faharoa".
Commentaires
Enregistrer un commentaire