LESONA 51
LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO
Rehefa mifarana ny tantaran'ny ratsy, dia "tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany" eran'izao rehetra izao (1Kor. 15: 28). Ny vohon'ny tany izay levon'ny afo, dia hohavaozin'Andriamanitra, ka ho tonga fanjakana tsara tarehy indrindra sy be voninahitra, izay lova nampanantenaina ny olon'Andriamanitra rehetra, nanomboka tamin'i Adama sy Eva ka hatramin'ny taranany farany. Ny lanitry ny lanitra ary dia ho toeram-pandalovana, izay nahalatsahan'ny ran'ny Mpamonjy antsika, no honenantsika mandrakizay mandrakizay. "Sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany" (Mat. 5: 5). Ho afaka hifanerasera koa amin'ireo mponina any an-kafa tsy mba nanota anefa ny olombelona.
1- Inona no teny fikasana nomena ny olon'Andriamanitra hatrizay hatrizay?
Valiny. "Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana" (2Pet. 3: 13).
2- Moa ve efa nahazo izany teny fikasana izany ireo nalaza tamin'ny finoana, toa an'i Abrahama?
Valiny. "Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana" (Heb. 11: 13). "Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay" (1Jao. 2: 25). Fa "Izy hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny" (Fil. 3: 21).
3- Toe-tena manao ahoana no homena ny voavonjy?
Valiny. "Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika" (1Jao. 3: 2). Fa "Izy hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny" (Fil. 3: 21).
Noty: Rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy dia nanana vatana azo notsapain-tànana, nihinan-kanina, nifanerasera tamin'ny olona; nefa izany vatany izany dia tsy voasakan'ny vatan-drindrina na ny varavarana nihidy, tsy nila na inona na inona koa mba hiakarana any an-danitra; tena tsy laitry ny fahafatesana intsony izany, tsy voasakan'ny elanelana ary mandeha amin'ny hafainganan'ny eritreritra,. Izany no homena antsika.
4- Inona no handanian'ny voavotra ny androny mandrakizay?
Valiny. Hianatra ny siansy ny zava-boahary rehetra ny olona, hanao ny asa mahafinaritra rehetra, handalina ny tantaran'ny famonjena, hifanakalo hevitra amin'ny mponin'ny lanitra rehetra. Nefa "Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra
tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra
ho an’ izay tia Azy" (1Kor. 2: 9).
5- Hatraiza ny faritry ny fanjakan'ny voavonjy?
Valiny. "Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana
eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo
Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay" (Dan. 7: 27).
6- Iza no handova izany rehetra izany?
Valiny. "Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako" (Apok. 21: 7).
Commentaires
Enregistrer un commentaire