LESONA 52
ANTSOM-PITIAVANA FARANY
Talohan'ny nandaozany ity tany ity, dia nandidy ny mpianany Jesosy hitory ny Filazantsara amin'ny firenena rehetra. Rehefa vita izany asa izany, dia nampanantena Jesosy fa ho avy indray haka ny olony. Ny Filazantsara dia manana hery hanova ny fiainan'ny mpanota sy hamonjy azy. Ny fitomboana mahagaga eo amin'ny fahalalana dia mahamora ny fitoriana, na dia sarotra aza ny asa. Na dia izany aza anefa, tsy ho vita mihitsy ny fampielezana ny Filazantsara eran'ny tany, raha tsy noho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Nanome toky Kristy fa amin'ny andro farany dia handrotsaka indray ny Fanahiny tahaka ny tamin'ny andro Pentekosta Izy; ka amin'izay dia ho vita faingana, tsy arak'izay nanampoizana azy ny fitoriana.
1- Asa inona no napetraky ny Tompo tamin'ny mpianany?
Valiny. "Mandehana any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra" (Mar. 16: 15).
2- Inona no atao hoe filazantsara?
Valiny. "ARY ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo. Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay
noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra
Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina" (1Kor. 15: 1- 4).
3- Misy hery manao ahoana ao amin'ny filazantsara?
Valiny. "Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany" (Rom. 1: 16).
4- Miovaova manaraka ny toetr'andro ve ny filazantsara?
Valiny. "Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny
lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina
ambonin’ ny tany" (Apok. 14: 6, 7).
Noty: Tsy manam-piovana ny filazantsaran'ny famonjena. " Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara
hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy" (Gal. 1: 8).
5- Inona no mitranga amin'izao andro farany izao ka manamora ny fitoriana?
Valiny. Ny fitomboan'ny fifamoivoizana sy ny fahalalana (Dan. 12: 4). Ny sambo, ny fiaramanidina, ny lalamby, ny fiarakodia, ny radio, ny televiziona, ny boky aman-gazety, dia samy fomba ahazoana mamita ny fitoriana amin'ny fomba tsy ampoizina akory.
6- Iza no hanampy amin'ny famitana haingana ny fitoriana?
Valiny. Ny Fanahy Masina. "Fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany" (Rom. 9: 28).
Noty: Ny filatsahan'ny Fanahy tamin'ny andro Pentekosta dia azo oharina amin'ny loha orana; ny filatsahany amin'ny andro farany kosa dia toy ny fara orana. Ny ranonorana aloha dia natao hampitsimoka ny voa; fa ny ranonorana aoriana kosa natao hahamasaka ny vokatra.
7- Inona no zava-dehibe hitranga raha vantany vao vita io asa io?
Valiny. Ny farany. "Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity
ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany" (Mat. 24: 14).
8- Inona no adidin'ny mpino tsirairay avy?
Valiny. "Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho" (Isa. 6: 8).
Commentaires
Enregistrer un commentaire