LESONA 4: ILAY EFITRA LAMBA NAMPISARAKA NY EFITRA MASINA SY NY EFITRA MASINA INDRINDRA

Dinidinika

Nisy lamba nampisaraka ny efitra roa. Ny efitra voalohany dia natao hoe efitra masina. Tokony ho 9 metatra ny lavany ary 4 metatra ny sakany. Ny mpisorona taranak'i Arona ihany no nahazo niditra tao amin'ny efitra masina.

Ny heviny ara-panahy

Tonga ilay mpanota mibebaka ka mitondra ny biby hataony fanatitra. Manampy azy amin'ny fanaterana fanatitra ny mpisorona. Manaraka izany dia manasa ny tanany ny mpisorona sy manala ny kapany, ka manasa ny tongony, ary miditra ao amin'ny efitra masina mitondra ny ran'ilay biby, mba hivavaka ao, ary hafafiny eo amin'ny efitra lamba ny ran'ilay biby.

Tandindon'i Kristy ny mpisorona, dia Kristy izay nanolotra ny ran'ny tenany ka niakatra any an-danitra hangataka famelan-keloka antsika. Noho ny fahafatesan'i Kristy no ahazoantsika mivavaka mivantana amin'Andriamanitra ka tsy misy olombelona mahazo mitsangana ho mpanelanelana.

Nanana asa voafaritra tsara hatao ao amin'ny efitra masina ny mpisorona. Rehefa miditra maraina sy hariva ao amin'ny efitra masina izy amin'ny fotoana fandoroana emboka manitra, dia efa vonona hatolotra ny fanatitra isan'andro, ka dorana eo amin'ny alitara ny tenany. Fotoana tokony hifantohan'ny sain'ny mpivavaka indrindra izany, dia ireo izay manatona ny tabernakely mba hivavaka. Alohan'ny hidiran'ny mpisorona ao amin'ny efitra masina mba hanao fisoronana ho azy, dia tsy maintsy mandini-tena fatratra izy ka hibebaka amin'ny fony tokoa. Ireo olona nanatitra ireo dia hampiray ny fivavahany mangina, sady hanatrika ny fitoerana masina. Amin'izany no hiakaran'ny fivavahany miaraka amin'ny setroky ny emboka manitra mankany amin'Andriamanitra; ka amin'ny finoana no ifikirany amin'ny teny fikasana momba Ilay Mpamonjy ho avy mba hanala ny fahotany. Tena masina tokoa ny fotoana maraina sy hariva anaovana fanatitra, ary izany no fotoana voatokana teo amin'ny Jiosy mba hanaovana fivavahana isan'andro.

Nasiana ny efitra lamba satria ny mpanota dia tsy afaka ny hibanjina an'Andriamanitra mivantana ao amin'ny efitra masina indrindra (Isa. 59: 2).



Fampiharana amin'ny Kristiana

Ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny efitra masina dia tandindon'ny fiainan'ny Kristiana andavanandro. Manatona an'i Kristy mba havela heloka isika. Apetratsika amin'ny finoana eo amin'ny alitara ny tenantsika feno ota. Mitolo-batana tanteraka eo amin'i Kristy isika ka miangavy Azy handevona ny otantsika, ary tena manao izany tokoa Izy. Manaraka izany, eo  amin'ny lafiny ara-panahy ihany, dia mankeo amin'ilay tavy fisasana isika ka eo no mandray fanadiovana amin'ny alalan'ny batisa sy amin'ny fifanasan-tongotra alohan'ny Fandraisana. Miara-miditra amin'i Kristy ao amin'ny efitra masina any an-danitra isika, ka amin'izany no anosorany antsika amin'ny herin'ny Fanahy Masina.

Ny tena marina dia izao: Rehefa tonga kristiana isika, dia tokony holaniana ao amin'ny fitoerana masina ny androntsika sisa, ka hohazavain'ny fahazavana mandrakizay avy eo amin'Andriamanitra, ary hihinana isan'andro ny mofom-panahy ary haharitra amin'ny fivavahana. Fiadanana manao ahoana no ho tsapaintsika amin'izany; kanefa mampalahelo fa vitsy loatra ny Kristiana manao izany fanandramana izany ka tsy mihaona na miara-mitoetra amin'Andriamanitra isan'andro.


< LESONA 3                                                                                                                      LESONA 5 >

Commentaires

Articles les plus consultés