LESONA 5: NY MOFO ASEHO

Dinika momba ny mofo aseho

Nisy latabatra voafono volamena napetraka teo amin'ny ilany havanana amin'ny efitra masina. Teo an-tampon'io latabatra io dia nisy sarin'ny satroboninahitra volamena roa laharana izay mampiseho ny satroboninahitry ny Ray sy ny Zanaka. Ary teo ambonin'ny latabatra koa no nasiana mofo antontany roa, ka mofo enina teo amin'ny antontany avy. Natao araka ny isan'ny tokon'ny Isiraely ny isan'ireo mofo ireo. Napetraka teo amin'ny latabatra koa ny lovia fasiana ny emboka manitra, ary koa ny kapoaka fanaterana fanatitra aidina.

Ny endriny

Raha mba niditra tao amin'ny fitoerana masina tany an'efitra ianao, dia hahita lambam-baravarana tsara tarehy tokoa nahantona teo amin'ny varavarana fidirana. Ireo lamba ireo dia nihantona teo amin'ny andry volamena dimy. Eo amin'ny ankavananao no hahitanao latabatra kely voatemitra volamena. Teo amboniny no nahitanao mofo 12. Nosoloina isan-tSabata izany; ary tamim-pitandremana feno hamasinana tokoa ny fanoloana azy. Raha vao esorina ny mofo taloha dia napetraka avy hatrany hisolo azy ny mofo vaovao. Tsy navela ho foana tsy misy mofo na oviana na oviana ilay latabatra. Ny lafarina fanaovana mofo fihinan'ny olona dia karazany tsotra, fa izay nanaovana ny mofo aseho kosa dia nofantenana ho tsara indrindra. Nasiana diloilo koa ny mofo, ary izany dia tandindon'ny Fanahy Masina. Ny sira dia nampiseho fanadiovana, toy izany koa ny rano.

Ny heviny

Nomena hohanin'ny mpisorona ireo mofo nesorina teo amin'ny latabatra, ary ny fanomboaloboka hosotroiny. Tsy tao amin'ny fitoerana masina anefa no nihinanany izany mofo izany, fa teo amin'ny kianja. Izany dia fanehoana mahafinaritra ny fahamarinana, fa Andriamanitra no mikarakara izay hohanintsika ny herinandro, ka tsy tokony hanahy isika.

Manambara ny hiavian'i Jesosy koa io latabatry ny mofo aseho io. Jesosy mofon'aina. Jesosy mihitsy no nanambara ny tenany ho mofo nidina avy tany an-danitra, avy tamin'Andriamanitra; izay mihinana Azy tsy ho noana intsony (Jao. 6: 48 - 51; Mat. 26: 26).

Fampiharana amin'ny Kristiana

Tandindon'ny mofo sy ny ranomboaloboka eo amin'ny Fanasan'ny Tompo koa ireo mofo sy divay napetraka teo amin'ny latabatra ireo. Ka rehefa avy mifanasa tongotra isika dia mandray mihinana ny mofo tsy misy masirasira, sy misotro amin'ny ranom-boaloboka, izay tandindon'ny tena sy ny ran'i Jesosy (Mar. 14: 22- 24).

Rehefa manao ilay vavaka nampianarin'i Jesosy isika hoe: Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay, dia sady mangataka hanina ara-nofo isika no mangataka hanina ara-panahy koa. Eo amin'ny fianarantsika ny Soratra Masina no andraisantsika ny sakafo ara-panahy; toy izany koa no iveloman'ny fanahintsika amin'ny fivavahana. Tsy tokony hisy andro havelantsika handalo fotsiny ka tsy handraisantsika hanina ho an'ny fanahintsika (Mat. 4: 1 - 4).


< LESONA 4                                                                                                                       LESONA 6 >

Commentaires

Articles les plus consultés