LESONA 6: ILAY FANAOVAN-JIRO FITO RANTSANA
Ny toetoetran'ny fanaovan-jiro
Rehefa miditra ny varavaran'ny efitra masina ny mpisorona, dia eo amin'ny lafiny havia amin'ny efi-trano no misy ny fanaovan-jiro fito rantsana.
Ny Baiboly dia tsy ahitana filazana ny amin'ny halehiben'ilay fanaovan-jiro, fa nisy filazana kosa ny amin'ny antsipiriany momba azy. Volamena madio notefena no nanaovana azy, ary nasiana sarim-boninkazo nandravaka azy. Olona nanan-talenta manokana tamin'ny fanefena volamena no nasaina nanao azy. Ny lanjany dia sahabo ho 33, 750kg. Raha tombanana amin'ny vola ankehitriny dia tokony ho 123.000.000FMG no tombam-bidiny.
Ny heviny araka ny maha-tandindona azy
Misy heviny ireo sarin'ny voan-drofia nanaingoana azy. Ny hazo rofia no mitrebona voalohany indrindra amin'ny hazo rehetra. Ny niheveran'ny Jiosy azy dia famantarana fa hitondra aim-baovao ny lohataona efa mitsidika; ary endrika miharihary ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty izany. Koa noho izany dia tandindon'ny nitsanganan'i Kristy amin'ny maty ny hevitr'ireny voan-drofia nandravaka ny fanaovan-jiro fito rantsana ireny.
Nisy fito ny jiro teo amin'ilay fanaovan-jiro. Ny hevitry ny isa fito ao amin'ny Baiboly dia enti-milaza fahafenoana, na fahanterahana.
Solika madio no natao tao aminy. Ny solika dia tandindon'ny Fanahy Masina. Raha ampiarahina amin'ny fiainan'i Kristy ny herin'ny Fanahy Masina dia mahatonga fahazavana ho an'izao tontolo izao (Jao. 8: 12).
Tsy maintsy hirehitra mandrakariva ny jiro. Rehefa mandoro emboka manitra maraina sy hariva ny mpisorona dia manisy solika io fanaovan-jiro io koa izy. Toy ny latabatry ny mofo aseho izay tsy azo foanana mofo mihitsy, no mampiseho fa manome hanina lalandava ny olony Andriamanitra, dia tahaka izany koa ireo jiro nirehitra lalavandava ireo dia midika fa fahazavana mandrakariva eo amin'ny lalantsika Andriamanitra.
Ny fanaovan-jiro fito rantsana koa dia mampiseho ireo fiangonana fito ao amin'ny Apokalypsy: Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, Laodikia. Fiangonana 'zay tena nisy tamin'ny vaninandro taloha nefa koa mampiseho ny toetry ny fingonana nifanesy mandrapaha amin'izao vanin'andro misy antsika izao.
Fampiharana amin'ny fiainana kristiana
Jesosy no tena fahazavan'izao tontolo izao. Ny fiainany no nampahazava ny lalan'Andriamanitra. Manjary mpitondra fahazavana koa ny mpanaraka an'i Kristy. Nisy ravaka 70 teo amin'ny fanaovan-jiro fito rantsana, ary naniraka 70 lahy Kristy mba handeha hitory filazantsara (Lio. 10. 1). Nisy 70 koa ny mambra tao amin'ny Sinedriona. Tsy maintsy notefena ilay fanaovan-jiro volamena, ka mampiseho izany fa Kristy sy ny mpanaraka azy dia tsy maintsy miaritra fahoriana vokatry ny fanenjehana.
Raha manana fahazavana ara-panahy isan'andro isika, noho ny soliky ny Fanahy Masina mamelona ny fanahintsika, dia tsy handeha eo amin'ny haizina isika. Raha tsy hazavain'ny Fanahy Masina isika dia hiraparapa ao amin'ny haizina tanteraka. Rakotry ny haizim-pito ny tany, sady ianjadian'ny fahoriana sy ny fangirifiriana. Nefa kosa efa tonga ny hazavan'ny lanitra miparasaka eran'izao tontolo izao mba hitari-dalana antsika.
< LESONA 5 LESONA 7 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire