LESONA 7: NY ALITARA FANDOROANA EMBOKA MANITRA
Napetraka manoloana indrindra ny efitra lamba io alitara io, ary fanaka nanakaiky indrindra ny rako-panavotrana. Napetraka teo anilan'io alitara io ny fanaka volamena fandoroana emboka manitra, rehefa tsy nampiasaina hanaovana fisoronana tamin'ny Andro Fanavotana izy.
Ny endriny ivelany
Nisy alitara faharoa tao amin'ny tabernakely izay napetraka teo akaikin'ny efitra lamba izay nampisaraka ny efitra masina sy ny efitra masina indrindra. Notemerina takela-bolamena io alitara io, fa tsy mba varahina tahaka ilay alitara voalohany ao anatin'ny kianja. Tsy mba nandoroana biby hatao fanatitra izy, fa emboka manitra kosa no naterina teo aminy.
Natao hoe alitara fivavahana io alitara fandoroana emboka manitra io. Kely izy, satria 35 sentimetatra toradroa monja no haben'ny tampony, ary 65 sentimetatra ny haavony.
Isa-maraina sy isan-kariva no manao fanatitra fanao isan'andro ho an'ny vahoaka ireo mpisorona voatendry hanao izany; ary nisy kosa mpisorona iray naka vainafo mirehitra avy teo amin'ny alitara fandoroana fanatitra ka mandoro ny emboka manitra.
Manaraka izany dia angalana kely ny ran'ny biby naterina ho fanatitra ka atentina eo amin'ny tandroky ny alitara sy afafy eo amin'ny efitra lamba.
Ny hevitry ny tandindona
Ny setroka miakatra avy eo amin'ny alitara fandoroana emboka manitra no tandindon'ny vavaka ataon'ny olona mankany amin'Andriamanitra (Sal. 141: 2; Apok. 8: 3, 4). Tsy maintsy nampiarahina tamin'ny fanaterana fanatitra izany fanompoam-pivavahana izany. Tsy afaka misaraka izy roroa ireo. Teo amin'ny alitara fanaterana fanatitra no niaiken'ny olona ny fahotany, mba hahazoany firaisana amin'Andriamanitra indray. Mahatonga fisarahana amin'Andriamanitra ny fahotana. Tsy afaka handray ny fivavaky ny olona mbola mankamamy fahotana miafina Andriamanitra. Hoy i Davida hoe: "Raha nankasitraka ota tao am-poko aho dia tsy mba hihaino ny Tompo" Sal. 66: 18.
Ny mpisorona ihany no mahazo mandoro ny emboka manitra eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny fitoerana masina. Mampiseho ny asan'i Kristy koa io alitara fandoroana emboka manitra io. Ilay alitara varahina ao amin'ny kianja no nampiseho ny asan'i Kristy fony tety an-tany Izy. Ary ilay alitara volamena kosa no mampiseho asa ataony ho antsika any an-danitra, satria "velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika Izy" Heb. 7: 25. Amin'ny alalan'ny ra sy ny emboka manitra no ahazoan'ny olona manatona an'Andriamanitra. Noho ny nahafatesan'i Kristy sy ny fifonana ataony ho antsika any an-danitra, no ahazoantsika manatona malalaka an'Andriamanitra ankehitriny.
Fampiharana amin'ny fiainana kristiana
Tombontsoa lehibe ho antsika ny mivavaka; ary asehon'ny emboka manitra izany. Nisy fiaraha-mivavaka manokana nataon'ny Isiraelita isa-maraina sy isan-kariva. Tombontsoa lehibe manao ahoana no ho antsika raha manomboka ny isan'andro sy mamarana azy amin'ny fiaraha-mivavaka ny isam-pianakaviana.
Mampiseho ny fivavahana ataon'ny tenantsika manokana koa ny emboka manitra. Raha miaiky ny fahotantsika isika (1Jao. 1: 9), ka mivavaka amin'ny fanahy sy feno fankasitrahana , sady vonona hilefitra ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ka mangataka amin'ny anaran'i Jesosy (Heb. 7: 25), dia ho azontsika antoka fa tafakatra any an-danitra ny fivavahantsika, ka raisin'ny Raintsika be fitiavana.
Tsy tokony ho tafasaraka amin'Andriamanitra na oviana na oviana isika. Azon'Andriamanitra henoina ny fivavahana rehetra ampiakarina any Aminy na amin'ny maraina na amin'ny hariva, eny, na amin'ny alina koa aza. Nefa ny fananana ora voafaritra hanaovana fivavahana no hampahatsiaro antsika fa tokony hivavaka mandrakariva isika, ary izany no hahatonga fifehezana ara-panahy ho antsika.
Mandray ny fivavahana ataontsika ny Fanahy Masina ka manova sy manamafy azy ho azon'Andriamanitra ekena. Izany no tokony hivavahantsika araka ny sitrapon'Andriamanitra.
< LESONA 6 LESONA 8 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire