LESONA 8: NY MPISORONABE

Ny asan'ny mpisoronabe no asa masina indrindra teo amin'ny fombam-pivavahana Jiosy. Tsy maintsy ho taranak'i Arona ny mpisorona. Ary ny mpisoronabe no tsy maintsy ho zokiny sy miendrika indrindra amin'ny taranany. Nanana karazana fitafiana roa izy. Ny iray dia rongony fotsy madio, nisy satroboninahitra teo amin'ny lohany, ary nisikina fisikinana volamena izy. Amin'ny Andro Fanavotana (Lev. 16) no anaovany izany fitafiana izany. Fa amin'ny fotoana hafa rehetra kosa dia ny akanjo feno ravaka no entiny ho fanehoana ny asa ambony iantsorohany.

Dinidinika

Natao hafa mihitsy ny fitafian'ny mpisoronabe. Nanome baiko tamin'ny antsipiriany rehetra mihitsy Andriamanitra ka tsy maintsy narahina tanteraka izany baikon'Andriamanitra izany.

1. Voalohany, tahaka ny mpisorona hafa rehetra dia tsy maintsy manao kaisaona rongony ho atin'akanjony izy. Natao iray tsy mivitrana ny akanjon'ny mpisorona, ary tsy hisy pentina, na tsininy mihitsy. Ary satria ho fanaronany ny fitanjahany no nanaovana ny atin'akanjony, dia izany no nahatonga an'i Jesosy hiteny hoe: "Manoro hevitra anao Aho mba hividy amiko akanjo fotsy, mba tsy hisehoan'ny henatrao" Apok. 3: 18.

2. Ny fitafiana nisy amboradara, dia natao teo ambonin'ny kalisaona. Nisy karazana kapaoty koa natao tamin'ny rongony madinika nitafian'ny mpisoronabe. Izy io kosa dia tsy nisy vitrany. Noravahana amboradara betsaka ilay kapaoty. Tsy maintsy natao tsara tarehy mihitsy ny fitafiana rehetra nanaovan'ny mpisoronabe mba hanomezany voninahitra an'Andriamanitra. Ary nisy fehikibo voaravaka amboradara koa teo amin'ny valahany.

3. Teo ambonin'ilay kapaoty, dia mbola nanao akanjo matevina niloko manga koa ny mpisoronabe. Ny manga mantsy dia entina mampiseho ny fahamarian'ny lanitra sy ny fankatoavana. Iray tsy nivitrana koa izany, nefa kosa tsy nisy tanany, fa nisy tataka kely fotsiny hidiran'ny sandriny. Teo amin'ny tratran'io akanjo manga io no nasiana lakolosy madinika nikorintsandrintsana rehefa niditra tao amin'ny efitra masina indrindra ny Mpisoronabe. Ireo lakolosy kely volamena ireo no fanehoana ny asa ataon'i Kristy ao amin'ny efitra masina indrindra any an-danitra. Rehefa  atao ny fanompoam-pivavahana amin'ny Andro Fanavotana dia manongilan-tsofina ny vahoakan'ny Isiraely nihaino ny fikorintsan'ny lakolosy kely teo amin'ny tratran'akanjon'ny mpisoronabe; ary ny fandrenesana izany feon-dakolosy izany no toky ho azy fa mbola velona ny mpisoronabe ka eken'Andriamanitra ny fifonana ataony ho an'ny zanak'Isiraely.
Ireo sarin'ampongabendanitra volamena izay tena kanto tokoa no mampiseho ny fahavokaran'ny fiainana entina manompo an'Andriamanitra.
 
4. Ny efoda, izay natao teo ambonin'ny akanjo manga no fitondran'ny mpisoronabe rehefa manao  fisoronana izy. Io no zavatra be vidy indrindra tamin'ny fitafiany, satria vita tanteraka tamin'ny volamena ireny ka niloko manga sy mena ary mangatrakatraka (Eks. 39: 2). Ny vongana tsirairay avy tamin'ireo dia nampiseho ny toetran'i Kristy. Noravahana vaingam-bolamena tanteraka izany. Nisy fihazonana ny efoda teo amin'ny soroka, ka vato onyksa no nampiasaina tamin'izany. Teo amin'ireo vato Onyksa roa ireo no nanoratana ny anaran'ny foko 12 tao amin'ny Isiraely.

5. Teo amin'ny efoda no nisy saron-tratra nizara roa nefa nakambana ho iray, teo amin'izany saron-tratra izany, tandrifin'ny fon'ny mpisoronabe indrindra, no nisy vatosoa Onyksa roa izay natao hoe Orima sy Tomima (Lev.8: 8). Tamin'ny alalan'ireo vatosoa ireo no nampahafantarin'Andriamanitra ny sitrapony. Nisy aloalo namirapiratra nanodidina ilay vatosoa Orima rehefa naneho ny fankasitrahany Andriamanitra ny amin'ny zavatra nentina hanontaniana Azy. Ary nisy toy ny rahona nanarona kosa ilay Tomima rehefa te haneho ny tsy fankasitrahany Izy.

Teo ivelan'ny saron-tratra dia nisy vatosoa 12, izay samy nanjelanjelatra iavaka tsara, natao laharan-telo ireo vatosoa ireo. Toy izao ny karazany raha atomboka avy amin'ny havia miankavanana ary avy any antampony mankety ambany. Saridisy, topaza, emeralda, karbonkolo, safira, diamondra, ambra, agaty, ametista, beryl, onyksa ary jaspy.

6. Nisy satroboninahitra teo amin'ny lohany. Io satroka io, tahaka ny akanjo hafa dia natao koa tamin'ny rongony madinika, ka nisy satroboninahitra telo nifanongoa teo aminy. Fanehoana ireo satroboninahitra telo satroboninahitra telo an'i Kristy izany.

Nohazonina tamin'ny ruban teo amin'ny handriny izany, manga io ruban io, ary nisy takela-bolamena madio izay nisy soratra hoe: "Masina ho an'i Jehovah".

Fampiharana amin'ny fiainana kristiana

Tandindon'i Kristy i Arona sy ny taranany. Tsy Zanak'Ondry naterina ho fanatitra ho antsika fotsiny Jesosy, fa Izy koa no Mpisoronabe manao fifonana ho antsika any an-danitra (Mar. 16: 19; Heb. 8: 1, 2.

Rehefa natsangana tamin'ny maty Izy dia niditra tao amin'ny efitra masina any an-danitra. Ka rehefa nanomboka ny fitsarana tamin'ny taona 1844, araka ny faminaniana ao amin'ny Daniela, dia niditra tao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny taberankely any an-danitra Kristy, toy ny nidiran'ny mpisoronabe teo amin'ny Jiosy, indray mandeha isan-taona tao amin'ny efitra masina indrindra tamin'ny tabernakely tety an-tany.

Voalaza ao amin'ny epistily ho an'ny Hebreo fa Kristy Mpisoronabentsika no mahafantatra ny mahazo antsika, satria efa nihatra taminy araka ny maha-Olona Azy izay rehetra nihatra tamintsika (Heb. 2: 17).

Samy mpanota avokoa na Arona na ireo taranany, satria tsaroantsika fa Arona no nanao ilay sarin-janak'omby volamena nivavahan'ny Zanak'Isiraely teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay, raha vao iray volana mahery kely monja no nanomezana ny lalàna. Jesosy kosa dia tsy nisy pentina mihitsy, ary tanteraka ny fanompoam-pivavahana ataony ho antsika.

Amin'ny fandinihana ny fombam-pivavahana nataon'ny mpisoronabe tety an-tany no hahafantarantsika izay ataon'i Jesosy ho antsika any an-danitra ankehitriny (1Tim. 2: 5).


< LESONA 7                                                                                                                       LESONA 9 >

Commentaires

Articles les plus consultés