LESONA 9: NY ZANAK'ONDRY
Ny efitra masina indrindra no kely indrindra ao amin'ny fitoerana masina. Avy ao no amirapiratan'ny Shekinah izay mampiseho ny fanatrehan'i Jehovah. Ao no tena fonenan'ny Avo Indrindra tety an-tany.
Ny endrika ivelany
Ny efitra masina indrindra no faritra masina indrindra ao amin'ny tabernakely, ao no misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra masina indrindra. Ny refiny dia sahabo ho 4,50 metatra mivadi-droa. Ny hany tao dia ny vata fiara, izay nametrahana zavatra telo dia ny Didy Folo voasoratra teo amin'ny vato fisaka, ny tehin'i Arona izay mitsimoka, ary ilay kapoaka volamena nisy mana notehirizina. Teo ambonin'ny vata fiara dia nisy ny rako-panavotana izay nitaingenan'ny sarin'anjely kerobima roa natao tamin'ny volamena. Nazava mandrakariva noho ny famirapiratan'ny fanatrehan'Andriamanitra ny efitra masina indrindra.
Ny tandindona sy ny heviny
Indray mandeha monja isan-taona, rehefa tonga ny Andro Fanavotana, no miditra ao amin'ny efitra masina indrindra ny mpisoronabe.
Mitovy hatrany hatrany isan-taona ny fanompoam-pivavahana atao amin'ny Andro Fanavotana. I Arona aloha no nanao ny fanompoam-pivavahana, ary manaraka azy dia ny mpisoronabe nifandimby rehetra. Masina tanteraka ny fisoronana ataony amin'izany.
Misasa aloha i Arona, ka hapetrany ny akanjo maha-mpisoronabe azy. Rehefa izany dia manao akanjo rongony fotsy izy. Manaraka izany indray dia tsy maintsy mamono biby hatao fanatitra izy. Ho an'ny tenany sy ny fianakaviany no anaterany vatotr'ombilahy ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy ho fanati-pivavahana. Tsy maintsy afaka tamin'ny helony izy vao afaka hanao fisoronana ho an'ny vahoaka.
Manaraka izany dia mandray lovia feno vainafo mirehitra i Arona izay nalainy teo amin'ny alitara varahina lehibe misy ny afo tsy maty. Hararany eo ambonin'izany vainafo izany ny zava-manitra eran-tanana anila, ary vetivety dia mirehitra izany. Rehefa hiditra ao amin'ny efitra masina indrindra izy dia voasaron'ny setrok'ilay emboka manitra.
Dia manatona ilay vata fiara i Arona mitondra kapoaka volamena eny an-tanany izay feno ran'ny fanatitra. Atsobony ao anatin'ny kapoaka ny rantsan-tanany mba handray ra ka afafiny eo amin'ny rako-panavotana izany, eo anelanelan'ireo sarin'anjely manaloka.
Manaraka izany dia misy fanatitra hafa atao koa afa-tsy izay natao hanadiovana an'i Arona mianakavy. Nisy osilahy tsy misy kilema roa nentina teo anoloan'ny fitoerana masina. Atao latsa-bato ka ny iray dia atokana ho an'i Jehovah. Tantazan'i Arona ny rany ka entiny miditra ao amin'ny efitra masina indrindra, ary afafiny impito eo amin'ny rako-panavotana izany ra izany.
Ny ran'io osilahy io no manadio ara-tandindona ny efitra masina indrindra, sy ny alitara fandoroana fanatitra ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hesoriny tsy ho eo aminy intsony ny fahotana rehetra nifonan'ny zanak'Isiraely nandritra ny taona. Marina fa efa voavela ny helok'izay nitondra fanatitra, nefa mbola voatahiry tao amin'ny fitoerana masina izany heloka nataony izany. Ny Andro Fanavotana dia tandindon'ny andro fitsarana farany izay hanesorana ny fahotana nibebahana rehetra, ka hanafoanana azy tanteraka.
Ilay osilahy faharoa, natokana ho an'i Satana dia fatorana eo anilan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana. Rehefa mivoaka avy ao Arona, dia entiny mivoaka miaraka amin'ny tenany ny fahotana rehetra voarakitra tao amin'ny fitoerana masina. Dia mametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay osilahy faharoa izy, ka amin'izany no amindrany eo aminy ny fahotana rehetar voarakitra tao amin'ny tabernakely nandritra ny taona. Entina mankany an-tany foan ilay osy ka avela ho faty any.
Fampiharana amin'ny fiainana kristiana
Ny asa fanavotana ataon'i Kristy no voaseho an-tsary amin'ny fanompoam-pivavahana atao amin'ny Andro Fanavotana. Izy no zanak'ondry vonoina hatao fanatitra mba hanafaka ny ota rehetra ataontsika. Rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy dia lasa niakatara any an-danitra mba hanao ny asa maha-Mpisoronabe Azy. Ary amin'izany no ampiasany ny Ran'ny tenany izay efa nalatsany mba hamafana ny fahotantsika (Heb. 9: 12).
Araka ny faminaniana ao amin'ny Baiboly dia nanomboka tamin'ny taona 1844 ny Fanadiovana ny Fitoerana Masina. Niditra teo anatrehan'ny fitsarana ataon'Andriamanitra Kristy ka mifona ho antsika. Rehefa mitsahatra ny fitsarana ka mijanona koa ny fanelanelanana nataon'i Kristy dia voafetra izay ho anjaran'ny tsirairay avy. Ho foanana tanteraka ny fahotan'ny olona marina, ary ny fahotan'ny ratsy fanahy kosa dia hafindra dia hatsingerina eo aminy ihany, ary amin'ny farany dia hampiharina amin'i Satana niandohan'ny ratsy rehetra. Tsara tokoa izany planan'ny famonjena izany. Azon'ny tsirairay atao ny mangataka an'i Jesosy ho Zanak'Ondry hanafaka azy amin'ny otany. Izay mandà izany fanomezana mamaimpoana izany izay omen'Andriamanitra ny olona rehetra, dia hatsingerina eo aminy ihany ny fahotany.
Atrehin'ny Zanak'Isiraely isan-taona isan-taona ny fanompoam-pivavahana natao hamonjena azy, na ho fanamelohana azy raha tsipahiny. Maro no nahatakatra ny heviny. Fa ho an'ny sasany kosa dia fombam-pivavahana tsy misy heviny no iheverany azy.
Azo atao ny handray anjara amin'ny fanelanelanana ataon'i Jesosy any amin'ny efitra masina indrindra any an-danitra ankehitriny. Azonao atao ny mitaky izany ho fanatitra ho anao sy ho mpisorona ho anao. Raha tsy heverinao kosa izany, ka tsy raharahinao, dia tsy handray famonjena ianao. Ka dia anao ny safidy.
Rehefa tonga ny Andro Fanavotana teo amin'ny Isiraely, ka niditra tao amin'ny efitra masina indrindra, hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ny Mpisoronabe mba hifona ho an'ny olona, dia nanao fandinihan-tena ny olona tsirairay avy, ary nibebaka tamin'ny fony tokoa mba ho anisan'izay hafahana madiodio rehefa atao ny fitsarana azy. Fa izay tsy mba nandinin-tena kosa, na nanana fanapahan-kevitra hanao ny tsara, dia naniraka ny anjely mpandringana Andriamanitra mba hiditra ao amin'ny lain'ny zanaky ny Isiraely, ka izay rehetra fantatr'Andriamanitra fa tsy nahitana fandrosoana teo amin'ny fiainany ara-panahy, dia naringana izy. Toy izany koa no tokony hibebahantsika marina raha mbola mifona ho antsika Kristy.
< LESONA 8 LESONA 10 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire