LESONA 10: NY VATA FIARA

Ny endrika ivelany

Mampiseho ny seza fiandrianan'Andriamanitra ny vata fiaran'ny fanekena. Hazo akasia no nanaovana azy, izay notemerina takela-bolamena ny atiny sy ny ivelany. Sahabo ho iray metatra ny lavany, ary 0,90 metatra ko ny haavony. Misy koronosy volamena madio manodidina azy. Teo andaniny roa dia nisy haolo volamena nanatsofohana vao voafono volamena mba hibatana ny vata fiara. Tsy misy olona mahazo mikasika io fanaka masina io na inona na inona antony. Rehefa entin'ny mpisorona mifindra toerana ny vata fiara, dia nosaronany lamba mandrakariva izy.

Tandindon'Ilay Andriamanitra tsy misy kilema ny vata fiara; koa noho izany dia tsy mahazo mikasika azy ny tanan'olona efa nanota. Voalaza in-180 ao amin'ny Baiboly io vata diaran'ny fanekena io. Tsy isalasalana fa io no fanaka manana antony lehibe indrindra amin'ny zava-misy rehetra eto ambonin'ny tany.

Tandindona sy ny heviny

Tao anatin'ny vata fiara no nametrahana ny vato fisaka nanoratana ny Didy Folo. Hodinihintsika amin'ny lesona manaraka ny antsipiriany mikasika ny Didy Folo. Tsy ilaina ny milaza fa izany Didy Folo izany no fototry ny fivavahan'ny Isiraely satria ireo no maneho ny fanekena nifanaovan'Andriamanitra sy ny olony.

Afa-tsy ny vato fisaka nisy ny Didy Folo, dia nisy kapoaka volamena nisy mana koa tao. Notehirizin'Andriamanitra nandritra ny taona maro ny santionany tamin'io sakafo nomena ny Isiraely io nandritra ny 40 taona raha namakivaky ny efitra izy. Raha tsy noho ny fiarovan'Andriamanitra azy dia ho simba sy maimbo izany mana izany. Tian'Andriamanitra mantsy mba ho tsapan'ny taranaky ny Isiraely mifandimby hatrany hatrany fa Izy no miahy sy manome hanina azy. Tian'Andriamanitra ny hinoan'ny razana aty aoriana fa tsy angano akory ny nanomezan'Andriamanitra mana ny zanak'i Isiraely fa tena nisy tokoa izany. Tamin'ny alalan'ny nanomezany mana azy no nampianarany azy koa fa tsy maintsy hitandrina ny Sabata isan-kerinandro mandritra ny taona izy.

Tao anatin'ny vata fiara koa no nasiana ny tehin'i Arona. Indray andro nikomy tamin'i Mosesy sy Arona ny loholon'ny Isiraely. Nampalahelo an'Andriamanitra izany; ka dia nasainy nitondra ilay tehina maina teny an-tanany hankao amin'ny tabernakely i Arona, ary nasainy nitondra ny tehiny avy koa ireo loholona nikomy. Ny zavatra hita ny ampitson'iny dia indro ny tehin'i Arona fa nitsimoka, ka namoa.

Tamin'izany no nampisehoan'i Jehovah fa Arona no sitrany, ka ny fahagagana nataony tamin'ny tehiny dia tandindon'ny fitsanganana amin'ny maty. Ilay hazo maina najary velona indray.

Fotoana kely talohan'ny nanafihan'ny Babyloniana notarihin'i Nebokadnezara an'i Jerosalema, dia nisy Jiosy mpivavaka tsara izay naka mangingina ny vata fiaran'ny fanekena ka nanafina azy tao amin'ny zohy iray. Natao izany mba tsy ho vetavetain'ny jentilisa ireo didy masina nosoratan'ny rantsan-tanan'Andriamanitra ireo.

Fampiharana amin'ny fiainana kristiana

Ny vata fiara dia mampiseho ny tenan'Andriamanitra. Tamin-tahotra sy fanajana fatratra no nitondrana azy. Amin'ny alalan'i Jesosy no ahazoantsika manatona an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra. Tsy mila olombelona hanelanelana antsika amin'Andriamanitra isika ka hifona na hanatitra fanatitra ho antsika. Jesosy ihany no Fanatitra, ary Izy ihany no Mpanalalana mandrakizay ho antsika; aoka hotsarovantsika ny hamasinany, ka tokony hajaintsika amin-tahotra sy amin-toky mandrakariva Izy.


< LESONA 9                                                                                                                    LESONA 11 >

Commentaires

Articles les plus consultés