LESONA 11: NY DIDY FOLO

Ny Didy Folo no hany faritra ao amin'ny Soratra Masina izay tsy nosoratan'olombelona. Indroa no nanoratan'Andriamanitra azy teo amin'ny vato fisaka. Ireo vato fisaka voalohany dia nazeran'i Mosesy ka vaky rehefa nahita ny zanak'Isiraely nivavaka tamin'ny sarin-janak'omby volamena izy. Ary ilay vato fisaka faharoa kosa dia voatahiry tao amin'ny vata fiara.

Dinidinika

Ny Didy Folo dia fanehoana ny sitrapon'Andriamanitra. Voalohany, tsaroanareo fa niteny tamin'ny olona teo an-tendrombohitra Sinay Andriamanitra, mba hanarahan'izy ireo ny didy nosoratan'ny rantsan-tanany tamin'ny vato fisaka. Ny vato dia mampiseho tsy faharavana. Ampoizina fa mbola ao ilay tendrombohitra nidinan'Andriamanitra mba hiteny amin'ny Isiraely ary mbola fialofan'ny mpifindra monina mandraka ankehitriny.

Tsy miova ny didin'Andriamanitra. Manao lalàna ny olona, nefa rehefa tsy tiany intsony izany lalàna izany dia ovany. Tsy mba toy izany Andriamanitra. Na dia tsy voatana an-tsoratra aza izany hatramin'ny nanoratan'i Mosesy azy, dia efa nampianatra ny didiny tamin'i Adama sy Eva Andriamanitra. Nampahafantariny azy izay tsara tokony hataony sy izay ratsy tokony halaviriny.

Azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro ny didin'Andriamanitra. Tsy mba asa saina no itadidiana ny didin'Andriamanitra fa raketina ao am-po. Hita ao amin'ireo Didy Folo ireo ny toetra tokony hananantsika mba hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra, sy ny toetra tokony hasehontsika amin'ny namantsika.

Fahafatesana no vokatry ny fandavana na dia ny iray monja amin'ny didin'Andriamanitra aza. Toa tsy rariny angamba no fiheverantsika izany, nefa toy ny aretina homa-miadana ny fahotana, ka raha avela hitoetra amin'ny tena dia hahafaty ny tena manontolo. Mahatsiravina ny mieritreritra fa ny olona tsirairay avy dia samy mpanota, ka noho izany dia samy voaheloka ho faty.

Mazava ny didin'Andriamanitra. Soa ihany fa tsy mpanome lalàna fotsiny Andriamanitra, fa Ray be fitiavana koa Izy ka vonona hamela heloka. Koa dia nahita lalana hanomezana fahafahampo ny lalàna Izy, ka hanadio antsika ho afaka amin'ny aretim-pahotana, ary handraisana antsika ho vahoakan'ny fanjakan'ny lanitra, izay handoavantsika ny fiainana mandrakizay.

Efa noraisin'i Kristy teo amin'ny tenany ny fahotantsika, ka voavela noho izany Ilay Andriamanitra tonga olona; koa noho izany dia tsy azo melohina intsony isika. Fa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy. Fa tsy misy fanamelohana ao amin'i Kristy. Ny rako-panavotana dia mampiseho an'i Kristy izay manolotra ny tsy fananany tsiny hatolotra ho antsika, mba tsy hohelohin'ny lalàna intsony isika.


< LESONA 10                                                                                                                  LESONA 12 >

Commentaires

Articles les plus consultés