LESONA 12: NY RAKO-PANAVOTANA
Ny toetrany eo ivelany
Ny saron'ny vata fiara no natao hoe rako-panavotana. Tao ambonin'io rakotra io no nanaovana ny fombam-pivavahana tamin'ny Andro Fanavotana. Nitovy habe tamin'ny vata fiara izy, ary volamena no nanaovana azy, ka nasiana koronosy volamena manodidina azy tahaka izay hita eo amin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Ny hevitry ny tandindona
Ny teny Hebreo nampiasaina hilazana ny rako-panavotana dia midika toy izao: "rakotra sy famelan-keloka". Nasarona teo ambon'ny vato fisaka nanoratana ny lalàn ny rako-panavotana. Io rako-panavotana io no mampiseho ny toetra ambony indrindra ananan'Andriamanitra mikasika ny mpanota, ary tsy inona izany fa ny famindrampo. Ao anaty fiara ny rariny sy ny fitsarana, ary ny rako-panavotana kosa maneho ny famelan-keloka lalina mba hahazoan'Andriamanitra manatona ny mpanota.
Fihetseham-po fotsiny sady tsy misy dikany akory ny famindrampo tsy misy fahamarinana. Raha nisy heloka vita dia tsy maintsy olona hiharan'ny famaliana. Ary raha ny rariny fotsiny no henjanina fa tsy heverina ny famindrampo dia mampiseho hasiahana izany ka tsy mifanentana amin'ny toetran'Andriamanitra, sady tsy zakan'ny olona koa. Dia nahita hevitra Andriamanitra mba hampifandrindra ireo zava-droa loha toa mifanipaka ireo. Izy tokoa no Andriamanitra mitaky fahamarinana, avy amin'ireo Didiny masina voarakitra ao anaty vata fiara; nefa koa Izy no mpamindra fo izay asehon'ny rako-panavotana. Sady mitady fankatoavana Andriamanitra no manolotra koa ny famelan-keloka sy ny fomba hahazoana mankato ny didiny masina.
Ireo vato fisaka nanoratana ny Didy Folon'Andriamanitra no porofo fa miorina eo amin'ny lalàna tsy miovaova ny fanjakan'Andriamanitra; ka ny mamono ny olona sy ny mangalatra, ny mpijangajanga, ny tsy manaja ray aman-dreny dia samy fahotana maha-meloka avokoa. Kanefa, mba hahazoana manome famelan-keloka ny mpanota mibebaka dia tsy maintsy misy Anankiray hiharan'ny famaliana, satria tsy maintsy omena fahafam-po ny rariny.
Ireo biby naterina ho fanatitra teo amin'ny Isiraely no porofo fa misy tsy manan-tsiny nandray ny heloky ny mpanota. Ny ra indray mitete hatrany hatrany dia samy tandindon'ny ran'i Kristy, izay tsy maintsy novonoina satria nandray teo amin'ny tenany ny fahotantsika izy; ka tsy maintsy nampiharina taminy ny famaliana ara-drariny avy amin'ny lalàna. Fa raha mbola voahitsakitsaka koa ny lalàna dia tsy misy fihavanana azo arindra eo amin'Andriamanitra sy ny olona.
Ny vaovao ambaran'ny fitoerana masina anefa dia tsy inona fa ny filazantsara. Nandao ny lanitra Kristy, ka nitafy ny nofon'olombelona. Ka rehefa natototra teo Aminy izany dia tsy azon'ny lanitra natao afa-tsy ny nanameloka Azy ho faty. Tanteraka teo amin'i Kristy ny fitakian'ny lalàna hahafaty ny mpandika lalàna. Koa noho izany, izay rehetra manenina noho ny fahotany ka mialoka eo amin'ny fahamendrehan'i Kristy, dia tsy azo henjehina ho mpandika lalàna intsony, satria ny fahamarinan'i Kristy no atafy azy (2Kor. 5: 21; Rom. 6: 23).
Fampiharana amin'ny fiainana kristiana
Moa ve mba efa nahatsapa ianao, tao amin'ny fiainanao, fa tena nilainao ny hanana mpamela heloka sy mpanamarina anao? Ny fandraisanao famelan-keloka, nefa tsy voatery hiharan'ny famaliana avy amin'ny lalàna voadika ianao, no zava-mahatalanjona indrindra mety ho hita eto an-tany. Ary mbola mahatalanjona noho izany ny nahazoana famindrampo avy tamin'Andriamanitra. Kristy no Mpisoronabe miendrika indrindra ho antsika, ka azontsika takiana isan'andro ny famindrampo atolotry ny lanitra.
< LESONA 11 LESONA 13 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire