LESONA 13: IREO KEROBIMA ROA
Teo andaniny roa tamin'ny rako-panavotana no nametrahana ireo sary volamena nampiseho kerobima roa, izay natao tamin'ny volamena matevina. Nasandray niakatra ny elany roa, ary ny roa kosa nakombony teo amin'ny tenany izay niondrika tamim-panajana fatratra sy fanetre-tena nijery midina izy. Hita teo amin'ny endriny ny fanjany ireo Didin'Andriamanitra napetraka tao anaty vata fiara.
Ny hevitry ny tandindona
Miara-miasa hamonjy ny olona ny Andriamanitra Ray sy ny Andriamanitra Zanaka, ary ny Andriamanitra Fanahy Masina. Nefa tsy Izy irery no miandraikitra izany, fa ny anjely koa manana anjara. Ny anjely no iraky ny lanitra hanampy antsika amin'izay rehetra ataontsika. Izao no voalaza ao amin'ny Hebreo 1: 14 "Tsy fanahy manompo va ireny (anjely) nirahina hanompo izay handova ny famonjena".
Voatantara matetika ao amin'ny Baiboly ny fomba samihafa nanampian'ny anjely ny olon'Andriamanitra. Ireny anjely ireny no nitondra hafatra avy amin'Andriamanitra, ary indraindray aza nirahin'Andriamanitra handringana ny ratsy fanahy izy. Indreto misy anaran'ny olona sasany voalaza ao amin'ny Baiboly fa nandre ny anjely niteny taminy, na nahita anjely mihitsy aza: Lota, Elia mpaminany, Abrahama, Daniela, Jaona Apostoly, Filipo, Maria renin'i Jesosy, Balama, Zakaria rain'i Jaona mpanao batisa, ary mazava loatra fa Jesosy koa.
Tsy mamela antsika ho kamboty Jesosy. Samy manana anjely isika tsirairay avy izay miaraka amintsika mandra-pahafatintsika. Angamba efa nahare ny feon'ny anjely mpiambina antsika isika, nefa tsy fantatsika akory izany. Ho hitan'ny masontsika izy rehefa hakarina any an-danitra isika.
Teo ambany tongotr'ireo anjely kerobima ireo ny rako-panavotana. Ary teo ambonin'ny rako-panavotana dia nisy hazavana mamirapiratra natao hoe Shekinah. Io no porofon'ny fanatrehan'Andriamanitra tao amin'ny efitra masina indrindra. Mazava mamirapiratra fatratra tokoa izany ka tsy azon'ny mason'olombelona jerena. Hitantsika fa teo ambonin'ny rako-panavotana no nisinan'izany hazavana izany, ary tao anatin'ilay vata fiara no nametrahana ireo Didy Folo nosoratan'ny tanan'Andriamanitra ireo. Hita amin'izany fa teo amin'ny toerana nametrahana ny Didin'Andriamanitra no nisehoan'ny fahamasinan'Andriamanitra. Mampiseho izany fa miaro ny didiny Andriamanitra, satria izany no mampiseho ny sitrapony masina. Raha tety an-tany koa Kristy dia niaro ny Didin'ny Rainy satria Izy mihitsy no nanonona ireo Didy ireo teo amin'ny tendrombohitra Sinay. Ary satria Azy ireo dia tsy vonona velively handrava na hanova izany Izy.
Ny rako-panavotana no tandindon'ny seza fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra. Ny hevitr'izany dia izao: Manana ny fiandrianany Andriamanitra Avo indrindra. Namoaka didy ho fanorenan'ny fanjakany Izy; nefa koa efa nanomana fomba hanavotany ny olona resin'ny fahotana, ka nametraka rako-panavotana teo ambonin'ny Didy ho famelana ny helok'izay mibebaka. Mampiseho ny fahamarinan'i Kristy koa io rako-panavotana io - fahamarinana izay hatafiny antsika raha mialoka eo Aminy isika. Voaseho ao amin'ny Apokalypsy Ilay Andriamanitra mahery mitafy voninahitra, nefa eo ambonin'ny seza fiandrianany dia nisy avana manaporofo fa Andriamanitra vonona hamindra fo amin'izay manatona Azy Izy.
Fampiharana amin'ny tena
Mbola "tabernakely" ho antsika ety an-tany Andriamanitra. Tsy manana tabernakely na tempoly toy ny taloha intsony isika, fa trano fiangonana kosa no ananantsika. Naorina sy natokana hivavahana amin'Andriamanitra ireny trano ireny. Mihaona amintsika ao amin'ny fiangonany masina Izy, ary mihaona amintsika isam-batan'olona, na any am-piangonana, na any an-tokatrano.
Kanefa ny fomba azo antoka indrindra fa hahazoantsika mihaona Aminy dia rehefa mivavaka mitokana Aminy isika. Izao tokoa no tenin'i Kristy: "Fa ianao kosa raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao. Ary rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin'ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay ao amin'ny mangingina no hamaly anao".
Mbola miasa ho antsika ankehitriny koa ny anjely masina. Miaro antsika amin'ny loza sy ny ratsy rehetra izy. Izao no tenin'ny mpanao Salamo :"Ny anjelin'ny Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao, mba tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotra".
Jesosy no Mpisoronabe, izay miady ho antsika eo anatrehan'ny fitsarana ataon'Andriamanitra any an-danitra ankehitriny. Efa nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliany Izy, ary lasa niakatra any an-danitra, ka mifona ho antsika, mba ho afaka madiodio amin'ny fitsarana isika. Rehefa mifona ho antsika io Mpisolovava be fitiavana io, dia fafana tsy hisy eo amin'ny bokin'ny lanitra intsony ny fahotantsika, ary ny fahamarinan'i Kristy tsy misy pentina no hatafy antsika.
Voatantara ao amin'ny fitoerana masina ny tantaran'ny planan'ny famonjena novolavolain'Andriamanitra ka notanterahin'i Kristy. Aoka heverintsika amim-panajana io planan'ny famonjena mahagaga io, ka ho raisintsika ho an'ny tenantsika izany mba ho tantara velona ao an-tsaintsika mandra-piavin'ny andro hidirantsika any amin'ny fiainana mandrakizay, rehefa ho avy tsy ho ela Ilay Mpamonjy malalantsika.
< LESONA 12 LESONA 14 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire