LESONA 14: NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITA, SEHATRA ANATANTERAHAN'I KRISTY NY FANAVOTANA


Fomba lehibe indrindra nisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny toetrany ny hazofijaliana. Mba hanampiana antsika hahatakatra ny hevitr'izany fanatitra lehibe izany dia namolavola ny Fitoerana Masina teto an-tany Andriamanitra.
Ny momba ny Fitoerana Masina no fanalahidy mamoha ny zava-miafin'ny fahadisoam-panantenana tamin'ny 1844.
Ny hafatry ny Fitoerana Masina no foto-pinoana tokan'ny Andvantista.
Ny Fitoerana Masina any an-danitra no tena foiben'ny asan'i Kristy ho an'ny olombelona.
Ny Fitoerana Masina any an-danitra dia toerana tena misy, ary misy zavatra, asa ataon'Andriamanitra ho antsika ao.
Ilay Zanak'ondry voavono ao amin'ny Apokalypsy 5 dia manondro ny fanatitra notanterahin'i Kristy tamin'ny nahafatesany. Nitafy ny maha olombelona Izy, ary nanolotra ny ainy ho sorona mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra ny olombelona, ka hahazo ny fiainana mandrakizay.
Hoy ny antso ara-paminaniana: "Mangina eo anatrehany ny tany rehetra". Habakoka 2: 20.
Ny fahanginana feno fanajana sy tahotra masina no fihetsika sy toe-tsaina tokony hananana manoloana ny maha-Mpanjaka sy maha-Mpitsara an'Andriamanitra.
Andriamanitra, Ilay Mpahary dia mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany ao amin'ny Tempoliny, ilay Fitoerana Masina any an-danitra, ary vonona hitsara Izy.
Araka ny voalaza ao amin'ny Hebreo 8: 1, 2 "Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona".
Araka izany, dia manao asa fanompoana amin'ny maha Mpisoronabe antsika Azy ao amin'ny Fitoerana  Masina any an-danitra i Kristy. Miray fo amintsika amin'izay mahazo antsika Izy, manome antoka antsika ihany koa fa tsy hariana isika, fa hahazo famindram-po sy fahasoavana kosa noho izay nataon'i Jesosy ho antsika, Hebreo 4: 15, 16 "Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.  Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory".

Toa ny tao amin'ny Fitoerana Masina teto an-tany, ny Fitoerana Masina any an-danitra no sehatra anatanterahana ny "Fanavotana" ( na Fampihavanana ) noho ny amin'ny fahotan'ny mpino ( Heb. 2: 17). Ilay Jesosy maty ho antsika no manao asa fanompoana " ho antsika " koa any an-danitra.

Ireto toe-javatra ireto dia mifampiankina. Maneho ireo dingana misy eo amin'ny famonjena ataon'Andriamanitra: hatramin'ny nahatongavan'i Kristy teo an-tany, mandalo amin'ny asa fanompoana ataony any an-danitra ao amin'ny efitra voalohany sy faharoa. Ny fiafaran'ny asa fanompoana amin'ny maha Mpisoronabe Azy. Farany, tabernakely ao amin'ilay tany vaovao.
  1. Apok. 1: 12 - 20: Kristy, manao ny fitafiana maha Mpisoronabe Azy, mandeha eo anivon'ireo fanaovan-jiro fito;
  2. Apok. 4; 5: Maneho ny toeran misy ny seza fiandrianana any an-danitra, ary ireo andininy mpmba izany dia milaza, maneho lafin-javatra samihafa momba ny Fitoerana Masina: seza fiandrianana, fanaovan-jiro, ranomasina, zanak'ondry, rà, lovia volamena fandoroana dintin-kazo manitra; 
  3. Apok. 8: 2 - 6: Miresaka ny amin'ny asa fanelanelanana mitohy ao anatin'ny tontolon-kevitry ny efitra voalohany ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra;
  4. Apok. 11: 19: Toe-javatra fahaefatra, sady ivo dia manome antsika sombim-pahitana ny amin'ny Fiaran'ny Fanekena ao amin'ny efitra faharoa;
  5. Apok. 15: 5- 8: Mampahita ny Tabernakely manontolo;
  6. Apok. 19: 1- 10: Miavaka noho izy tsy ahitana filazana mivantana momba ny Fitoerana Masina. Anton'izany angamba dia ny mba hanehoana fa vita ny asan'i Kristy tao;
  7. Apok. 21: 1- 8: Miresaka manontolo ny amin'ilay Tanàna Masina be voninahitra ho eto an-tany, izay soritana hoe ny Tabernakely " Midina avy any an-danitra ".
Rehefa dinihina akaiky ireo toe-javatra ireo dia hita fa mifampiankina, maneho ny dingana misy eo amin'ny famonjena nataon'Andriamanitra, hatramin'ny nahatongavan'i Kristy teto an-tany, mandalo amin'ny asa fanompoana ataony any an-danitra ao amin'ny efitra voalohany sy faharoa ary ny fiafaran'ny asa fanompoana amin'ny maha Mpisoronabe Azy. Ary ny farany dia ny Tabernakely ao amin'ilay tany vaovao.

 Kintana 7 = anjelin'ny fiangonana 7
fanaovan-jiro 7 = fiangonana 7

Namorona ny saha Edena Andriamanitra mba ho tandindon'ny Fitoerana Masina. Ny saha Edena no " Tempoly " tandindona voalohany teto an-tany.
Manazava amin'ny teny tsy misy isalasana ny bokin'ny Hebreo, fa tena misy ny Fitoeran Masina any an-danitra. Tabernakely no fiantso azy. Hebreo 8: 2 "Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona".



Commentaires

Articles les plus consultés