LESONA 2: NY ALITARA FANDORANA FANFATITRA

Ny endriky ny fitoerana masina

Tao amin'ny kianja no nisy ny alitara fandoroana fanatitra. Lehibe izay izy, ary efajoro 2m 50 ny ilany iray, ary ny haavony dia 1m 20. Ny fikan'izany dia izao: ny haben'ny tampony dia nisy 16 metatra toradroa, ka nalalaka tsara nahazoana nandoro fanatitra maromaro niaraka.

Hazo akasia no nanaovana ny alitara izay norakofana varahina. Nisy tandroka efatra teo amin'ny zorony efatra izay samy voarakotra varahina avokoa. Ny tandroka no fiadiana mahery indrindra fampiasan'ny biby manana azy sady  fandravahana ny lohany rahateo koa. Noho izany ny hevitry ny tandroka dia hery sy fiarovana ary fandresena.
Nisy makaraka varahina mavesatra be napetraka teo antenantenan'ny vatan'ny alitara sy ny fanambaniny. Teo amin'izany makarakara varahina lehibe izany no nametrahana ny henan'ny biby nodorana, ary teo ambany dia nisy takela-by nanatazana ny lavenona sy ny forohana sisa tsy may.

Ny hevitr'izany

Ny varahina dia nampiseho fahatanjahana, sy fijoroana tsara ary faharetana sy fandresena eo amin'ny fiaretam-pahoriana. Ao amin'ny Zakaria toko faha-6, dia aseho amin'ny endriky ny kalesy efatra midina avy eny amin'ny tendrombohitra varahina Kristy.

Isaky ny maraina amin'ny 9 sy hariva amin'ny 3 no anateran'ny mpisorona ny zanak'ondry herintaona ho famelana ny heloky ny firenena; ka dia tsy nitsahatra mihitsy ny fandoroana fanatitra; ary fanehoana hita maso ny fahatesana vokatry ny ota koa izany. Tsy maintsy nisy zanak'ondry aterina mandrakariva, satria tsy nisy fotoana mihitsy izay tsy nilan'ny zanak'Isiraely Mpamonjy dia Kristy. Araka ny voalaza ao amin'ny Marka 15: 25 dia tamin'ny ora fahatelo na tamin'ny 9 maraina Jesosy no nohomboana teo amin'ny hazofijaliana, ary tamin'ny ora fahasivy na tamin'ny 3 ariva no maty (Mar. 15: 34, 37).

Ho fanampin'ny fanatitra maraina sy hariva, dia samy nanatitra fanatitra ho azy manokana koa ny olona tsirairay nahatsiaro ny tenany fa nanota. Ondry no nateriny tamin'izany, na osy, na zanak'omby, na voromailala, arakaraka ny anton'ny fanatitra tiany hatao na arakaraka ny toe-pananany. Tsy nampaninona izay biby aterina fa ny tsy maintsy jerena dia tsy maintsy ho tsy misy kilema izany biby izany.

Manome endrika mahafinaritra tokoa ny amin'i Jesosy Kristy ny boky "Fitiavana mandresy", dia Kristy Ilay Fanatitra tonga lafatra indrindra (2Kor. 5: 21).

Nihatra tamin'i Kristy ny fampijaliana tokony hampiharina amintsika, mba hahazoana mampihatra amintsika kosa ny fahamarinana izay teo amin'i Kristy. Nomelohina noho ny fahotantsika Izy, kanefa tsy nanota na kely aza. Nihatra Taminy ny fahafatesana izay tokony ho anjarantsika mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Tsy maintsy naloa ny onitry ny fahotana nataontsika, ka hosaronana famindrampo sy fanamarinana izany. Ilaintsika ny hitaky isa-minitra ny fanamarinana avy amin'ny ran'i Kristy satria Kristy no Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra izay tonga hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, mba handraisan'ny tenantsika fanadiovana avy amin'izany Ra masina izany koa.


< LESONA 1                                                                                                                     LESONA 3 >

Commentaires

Articles les plus consultés