LESONA 1: Ny tabernakely sy ny kianja
Ary rehefa nitoby teo amin'ny fototry ny tendrombohitra Sinay izy, dia nanao fanekena na teny fikasana ho azy Andriamanitra. Homeny azy ny Didy Folo, dia ny lalàna lehibe iorenan'ny fanjakany masina (Eks. 24: 12). Tiany hampianarina azy ny planan'ny famonjena, izay efa natomboka sahady raha vao nanota i Adama sy Eva (Gen. 3: 15).
Mba hanomezana toky azy ireo fa miaraka aminy hatrany hatrany Andriamanitra na dia tsy hita maso aza, dia nomeny hitari-dalana azy ny andry rahona sy ny andry afo (Eks. 13: 21). Nasainy nanao fiangonana tany an'efitra izy mba hampianarany azy ny amin'ny haratsian'ny ota sy ny hiavian'ny Mesia hanavotra azy ho afaka amin'ny helony indray andro any, amin'ny fanolorany ny ainy ho fanavotana azy (Eks. 17: 1; Asa. 7: 38). Ary satria tsy maintsy hifindrafindra hatrany hatrany izy, dia tsy afaka nanorina trano tsy mihetsika, fa tabernakely azo noravana sy narafitra moramora no natao trano fivavahana (Eks. 27). Nampitovina endrika tanteraka taminy ny sary naseho an'i Mosesy tany an-tendrombohitra ny plana nanaovana azy (Eks. 25: 8, 9). Io endrika io no tabernakely any an-danitra. Ny faritra rehetra tao aminy dia kopian'ilay teny izy any an-danitra(Heb. 8: 5; Sal 102: 19; Apok. 15: 5; Apok. 11: 19), ary natao ho fanehoana mialoha ny famonjena hatolotr'i Kristy aty aoriana. Ny fombam-pivavahana rehetra naterina tao, dia ho fanehoana mialoha an'Ilay Fanatitra lehibe avy amin'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy izay ho avy hamonjy ny mpanotra.
Isiraely kosa dia notendren'Andriamanitra ho mpampianatra ny firenena hafa rehetra hahalala an'i Jehovah sy ny famonjeny.
Nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ny planan'ny tabernakely. Samy nohazavainy taminy avokoa hatramin'ny antsipiriany madinika indrindra. Tsy nisy faritra navela hataotao foana na iray aza (Eks. 25, 26, 27 ). Ho fananganana io tabernakely io dia nanome antsitrapo izay rehetra nilaina ny vahoaka Isiraely na vola izany na fitaovana. Nandray fahasoavana manokana tamin'ny Fanahy Masina ny mpandrafitra sy ny mpiasa isan-karazany, mba hampiasany ny talentany arak'izay mety indrindra.
Trano fonenana ho an'i Jehovah no antony nampanaovany fitoerana masina nandritra ny dian'ny Isiraely tany an'efitra (Eks. 15: 17; Eks. 25: 8).
Ny endrika teo amin'ny hita maso
Nanodidina ny fitoerana masina dia nisy tokotany mifefy nomena anarana hoe kianja, na ny fefy nanodidina azy dia natao tamin'ny lamba rongony nahantokantona tamin'ny andry. Ny refin'ny kianja dia tokony ho 22 metatra sy sakany, ary 45 metatra ny lavany, toy ny "Villa" iray malaladalaka. Tsy nahazo niditra tao anatin'ny tabernakely ny olona, fa teo amin'ny kianja no azony nidirana rehefa mitondra fanatitra izy.
Tao amin'ny kianja no nisy ny alitara fandoroana fanatitra sy tavy fisasan'ny mpisorona. Ny tena tabernakely izay tao amin'ny ilany amin'ny kianja dia nomena anarana koa hoe trano lay fihaonana, izany hoe toerana fihaonana tamin'Andriamanitra.
Io fitoerana masina nentina nandehandeha nandritra ny dia tany an'efitra io dia natao tamin'ny lamba maivana nefa mateza. Ny refiny dia sahabo ho 15 metatra ny lavany, 5 metatra ny sakany, ary ny haavony dia 8 metatra. Hazo akasia no nanaovana ny fanaka tao aminy, izany no hazo matanjaka sy mateza indrindra tamin'izany fotoana izany. Teo an-daniny roa tamin'ny fitoerana masina dia nisy karazana rindrina natao tamin'ny volafotsy notemerina volamena. Izany no namefy ny tabernakely teo amin'ny ilany avaratra sy atsimo andrefana. Ny ilany atsinanana no nisy ny fidirana nasiana sarin'anjely natao peta-kofehy ary niloko manga sy mena ary jaky. Mbola nisy rakotra telo koa nanarona tao ambony. Ny voalohany dia natao tamin'ny hoditr'osy, ny faharoa nao tamin'ny hoditr'ondry nolokoina mena, ary ny fahatelo izay teo ivelany indrindra dia natao tamin'ny hoditra matevina tsy tanteraky ny orana.
Rehefa voatsangana ny fitoerana masina ka nampiasaina, dia nameno ny fitoerana masina indrindra ny fanatrehan'Andriamanitra. Antoka ho an'ny vahoaka izany fa teo anivony mandrakariva ny Andriamaniny.
Ny hevitry ny tandindona
Io fitoerana masina io no nirakitra ny fiainan'i Jesosy. Ireo rindrin-kazo notemerina volamena dia nampiseho ny fampiraisana ny olombelona (hazo) sy ny volamena (Andriamanitra). Ary toy izany indrindra Jesosy, fa sady Andriamanitra Izy no tena olombelona koa. Ireo andry izay nihantonan'ireo lamba namefy ny kianja no nampiseho ny olom-boavonjy. Ary na dia ny lokon'ny lamba namefy ny kianja aza dia nisy heviny voafaritra tsara:
- Ny rongony fotsy dia mampiseho ny fahadiovana. Tsy maintsy nadio avokoa izay rehetra nikasika an'Andriamanitra, na ny fitaovana na ny olona.
- Ny jaky mena dia nampiseho ny fanatitra.
- Ary ny mena dia mampiseho ny fiandrianana maha Mpanjaka an'Andriamanitra
- Ny manga kosa dia enti-maneho ny fankatoavana.
< FAMPIDIRANA LESONA 2 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire