Mbola afaka mibebaka ve aho ka miverina indray eo amin'Andriamanitra ?
Jesosy Solofon'i Jese, Solofon'i Davida, raha nitoriteny teo an-tendrombohitra, dia ilay teny hoe sambatra no nolazain'ny molony voalohany. Toa izany koa no nataon'i Davida, raha nanoratra ny Salamo izy. Ao amin'ny Salamo 1: 1 - "SAMBATRA ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny làlana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira".
Nataon'Andriamanitra hoe sambatra isika. Maro anefa no tsy mahatsapa izany. Ny mpanaradia an'i Kristy dia mila miady amin'ny toetra ratsy samy hafa. Miezaka miala amin'ny zioga mamatotra azy.
Ny Soratra Masina dia milaza ao amin'ny Jeremia 13: 23 - "Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa hianareo izay efa zatra nanao ratsy".
Toa mahakivy ny toe-java-misy sy hiainana indraindray. Koa inona ary no hataoko mba hahatonga ahy, hahatonga antsika ho tena olom-baovao ?
2Kor. 5: 17 - "Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo".
Ka inona ary 'zany no hahatonga antsika ho olom-baovao ao amin'i Kristy?
Ny valin'io fanontaniana io dia mila mankao amin'i Kristy, manaraka ny fampianarany, mankato ny baikony, mihaino ny Teniny, 'zany hoe miverina amin'Andriamanitra, mila mibebaka. Ary Kristy mihintsy no manome io fo vaovao io. Tsy haintsika ny manova ny fontsika. Eze. 36: 26 - 29 - "Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo... "
Andriamanitra ihany no afaka manolotra fo vaovao. Tsy vitan'olombelona io. Tsy vitan'ny fandidiana fo ataon'ny dokotera. Mahagaga antsika izany fa hain'Andriamanitra. Mahery indrindra Izy, ary tsy misy olombelona mahay manova ny fony amin'izao. Soloin'Andriamanitra fo vaovao 'lay fo feno fahazaran-dratsy teo aloha, ka lasa miova. Ny mpandainga ho lasa tia milaza ny marina. Ny mpiavonavona ho lasa tia manetry tena. Ny mpiady an-tsena lasa mpampihavana.
Zakaiosy ilay sefoben'ny mpamory hetra tamin'ny andron'ny Baiboly. Noheverina fa asa ratsy io asany io, izany hoe olo-meloka, mpangalatra, mpisoloky izany mpamory hetra izany taloha. Ary dia tena izany tokoa ity Zakaiosy ity. Raha tokony handoa arivo ariary ny mpandoa hetra iray, dia avo roa heny noho izany no asainy haloa. Ka raha tsy mety mandoa io ambony ampanga io ilay mandoa hetra dia ho voasazy na hiantsoany miaramila romana. Voasoratra izany ao amin'ny Lioka 19: 1- 6. Rehefa nandre ny amin'i Jesosy anefa izy indray andro, dia mba naniry koa ny hihaona Taminy. Dia Ilay Jesosy, izay feno ny voninahitr'Andriamanitra sy fahamarinana, ary feno fahasoavana.
I Zakaiosy tamin'io dia mbola nirebereba akanjo, satria tsy mbola nisy pataloha tamin'izany. Rehefa fantany fa handalo teo amin'ny arabe nijoroany i Jesosy, dia niazakazaka haingana izy, ary nihanika hazo mba hahatazana tsara kokoa an'ity Jesosy ity, satria moa dia fohy kely ity interessé-an'i Jesosy vaovao ity. Hay kay, na dia tao anatin'ny vahoaka maro aza, dia tazan'i Jesosy soamantsara ny fihetsika sy ny paik'adin'i Zakaiosy rehetra. Dia toy izany koa ny ataon'i Jesosy aminao izay mamaky ity lahatsoratra ity anio. Hitany, fantany ianao io, 'zay liana te hahafantatra ny momba Azy. Hoy ny voasoratra ao amin'ny Lioka teo: "... ry Zakaiosy midina faingana". Dia nidina izy. Ilay fidinana dia midika ho fankatoavana, fanekena ny fiangavian'i Jesosy taminy. Dia faly indrindra Zakaiosy. Nibebaka izy, ary niteny hoe : "raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany." Lio. 19: 8b. Dia hoy Jesosy teto hoe: "Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena" Lio. 19: 9. Nibebaka i Zakaiosy, tonga olom-baovao izy. Raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy.
Maria Magdalena. Fantantsika ny tantara. Noetina teo an-tongotr'i Jesosy izy, miandry didim-pitsaram-bahoaka, dia ny fitoraham-bato azy izany. Alaivo sary an-tsaina kely anie izany e ! izy mitebiteby, mangovitra, tsy manana mpiaro, tsy manana rariny. Ary afaka minitra vitsy, dia mety hisy antotam-bato ny loha, ho tapaka ny tanana, ho potsitra ny voamaso. Izany no zavatra niandry an'ity Maria ity teto.
Dia nanontanian'ireo fariseo ny hevitr'i Jesosy, dia namaly azy ireo Izy ka nanao hoe: " 'zay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy". Hay, kay mpanota daholo isika rehetra. Tsy misy olombelona tsy nanota. Tsy misy olona afaka milaza hoe madio. Rehefa nitraka Jesosy dia nanontany hoe : "Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? ... mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony" Jao. 8: 10, 11.
Izaho, ianao koa, rehefa ao amin'i Jesosy dia aza manota intsony. Aza averina intsony 'reo fanao tsy mety teo aloha.
Fa maninona moa no tsy havela hanota e ? Satria ny fahotana dia mampanenina. Hey ity nataoko e! Ka na inona na inona no ataontsika, rehefa mandika ny didin'Andriamanitra dia manota.
Mbola azoko atao ve ny miverina amin'Andriamanitra?
1Jao. 1: 8, 9 - "Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra".
Kristy dia manome fanantenana vaovao, fanombohana vaovao. Raha nanota ianao tamin'ny herin'andro, dia mbola azonao atao ny manao fanombohana vaovao indray. Dia veloma ry ota, esorina ny toetra ratsy rehetra, fa lasa mihavana amin'i Jesosy. 'Zay no dingana manavao, fampihavanana anao sy Jesosy, satria ny olona efa nampihavanin'i Kristy tamin'ny tenany dia lasa sakaizan'Andriamanitra.
Ilay zanaka adala nilomano tao anaty ota maro maharikoriko. Rehefa nahatsapa ny tsy mety rehetra nataony izy dia nibebaka. Niverina teo amin'ny rainy izy: "Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho. Ataovy toy ny iray amin’ireo olona karamainao aho." Lio. 15: 18b, 19. Rehefa niteny izany izy dia onena azy ilay rainy. Rotidrotika ny fon-drainy, ka nibaiko haingana ny mpanompo tao an-trano izy hoe: "alaivo haingana ny akanjo madio ....". Tahaka izany koa no ataon'Andriamanitra amintsika rehefa miverina eo amin'i Jesosy isika, satria dia ny akanjom-pahamarinan'i Kristy no atafiny antsika.
- Asio peratra ny tanany. Peratra: zanaka mpandova dia asiana peratra ny tanany.
- Asio kapa ny tongony. Kapa: hiarovana amin'ny ota, amin'ny fikasan-dratsy rehetra. Satria asiany kapa ny tongotrao dia tsy tanteraka ny fikasan-dratsinao rehetra.
Mety tsy ho faly ny mpiara-monina amintsika rehetra, any amin'ny misy antsika rehetra any. Kanefa, tsarovy fa faly amin'ny fanapahan-kevitrao kosa ny lanitra manontolo. Indraindray toa tsy tsapantsika ny tanan'Andriamanitra miaro antsika. 'Zao no teny fikasana atolony antsika manao hoe :" Tsy misy maharombaka ny eo am-pelatanako".
Mahafinaritra 'lay Jesosy e ! Koa andao isika hanapa-kevitra toa an'i Zakaiosy, tapa-kevitra hiverina manontolo hiaraka amin'i Jesosy. Aza menatra, fa ho faly Andriamanitra rehefa miverina eo Aminy isika.
Commentaires
Enregistrer un commentaire