Ny lalàna

Tsy mety lany andro ny lalàn'Andriamanitra.

Ahoana no ahafahana manazava ny fihanaky ny herisetra ankehitriny ? Satria tsy ampiharina ny lalàna. Very ny soa toavina, tsy apetraka eo amin'ny toerany ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Oha. 28: 26 - "Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala".
Hos. 8: 7 - "Rivotra no nafafiny ary tadio no ho jinjainy".
Misy lalàna koa ny fitomboana eo amin'ny fianana. Lalàna napetrak'Andriamanitra ny lalànan'ny fitomboana. Nataon'Andriamanitra tao amin'ny toe-batan'olona ny fitomboana. Raha fantatry ny ankizy vao mitombo io dia tsy hisy fikorontanana ao anatiny, eo aminy. Miseho vanim-potoana fialàn-tsakana eo amin'ny tanora rehefa tsy voaomana amin'izany izy. Ka rehefa tsy mampianatra ny ankizy momba ny fitsipika ny fitondran-tena ny lehibe dia tsarovy fa tadio no ho jinjaina.

Sal. 111: 7, 8 - " ... Mahatoky avokoa ny didiny rehetra".
Lalàna nomen'ny Tsitoha dia folo no isany, fa 35 tapitrisa kosa no natao hifehezana ny fiainan'ny olombelona. Ny lalàn'Andriamanitra no fanorenan'ny fanjakany.
"Article" 10 isa, fa tsy misy "Chapitre". Io no lalam-panorenan'Andriamanitra. Io lalàna io no nahatonga fikomiana teo amin'ireo anjely tany an-danitra.

Rehefa tsy mamitaka an'Andriamanitra ianao, na koa tsy mamitaka ny tenanao dia afaka hiteny toy izao koa ianao hoe: "Inona re no havaliko an'i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko ? ".

Noho ny fikomiana nitranga tany an-danitra nataon'ny ampahatelon'ny anjely, dia nalefan'Andriamanitra ho ety an-tany ireo. Anjely ratsy no anarany manomboka eto na i Satana. Nofitahiny i Adama sy Eva, ka hoy izy :" Andriamanitra anie ry olona ka mpialona e ! Raha hohaninareo ity voankazo ity dia hanjary hitovy Aminy hianareo ka hahalala manavaka ny tsara sy ny ratsy". Dia nihinana tokoa ireo.

Andriamanitra no loharanon'aina. Ny fisarahana Aminy dia fahafatesana. Ny tsy fanarahana ny sitrapony dia famonoan-tena. Hoy ny bokin'ny Romana hoe, fa raha tsy misy lalàna dia tsy misy fandikan-dalàna.
1Jao. 3: 4 - "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna".
Gen. 26: 5 - "satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko".
Nanomboka teo amin'i Abrahama ka hatramin'i Mosesy dia misy 400 taona. Nitandrina ny didy sy ny lalàn'Andriamanitra i Abrahama. Hoy koa ny Matio 5: 17, 18 - "Aza ataonareo fa tonga Aho handravany lalàna na ny mpaminany. Tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna na dia litera iray, na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterahan'izy rehetra".
Tsy nanafoana ny lalàna Jesosy.
Lio. 16: 17 - "Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna".
Efe. 2: 15 -" fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana".
Tapitra teo amin'ny hazo fijaliana ny fomba fisoronana.
2Kor. 12: 9 - " Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko".

Noho ny fahasoavana dia:
- voavela ny helotsika;
- amboarina ny toetran-tsika hahatandrina ny lalàna.
Tsy ho vitanao irery io, fa asan'ny Fanahy Masina, 'zay mitarika antsika ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Jao. 15: 10 - " Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany".
1Jao. 5: 3 - " Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny".
Mat. 22: 37, 38 - " Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany".
Mat. 22: 39, 40 -  " Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany".

Moa ny lalàna va no hamonjena antsika? Tsia, fa ny Efes. 2 : 8, 9 - " Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra; tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha".
Gen. 6: 8 - " Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah".
Tit. 2: 11 - "Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra".

Inona no atao hoe tsy ambanin'ny lalàna?

Rom. 6: 14, 15 - " Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna hianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana. Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!"
Rom. 3: 19, 20 - " Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota".

Raha ambanin'ny lalàna ny olona iray, dia tahotra no hitandremany ny lalàna. Ny lalàna tsy manadio fa ny ran'i Jesosy no manadio.
Ny lalàna dia toa ny fitaratra : tsy manadio ny fitaratra fa manoro ny tsy mety, ny maloto, ka mila ho sasàna. Ny ny rano sy ny savony no manadio.
Apok. 12: 17 - "Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy".
Apok. 14: 12 - " Indro ny faharetan’ ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy".

Ambanin'ny lalàna = mitandrina ny lalàna araka ny voasoratra.
Ambanin'ny fahasoavana = mitandrina ny lalàna araky ny Fanahy.

Ihoarana ny lalàna, izany hoe raha misy marary eo dia tsaboy. Raha misy noana eo dia homena sakafo. Ny tena mponin'ny lanitra dia mandray andraikitra.

Commentaires

Articles les plus consultés