Salamo

Inona no Salamo be mpahalala  na koa hoe vakiana matetika indrindra ao amin'ny Baiboly? Fa raha ny fahafantarako azy dia ny Salamo faha-23, dia ilay manao hoe: "Jehovah no mpiandry ahy, ka tsy hanan-java-mahory aho".
Tsy io Salamo io anefa no tiako ho zaraina amintsika anio, fa ilay manaraka azy, dia ilay Salamo faha- 24 izany. Hira io Salamo io, dia ilay manao hoe: "Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ". Fa andeha ho jerevantsika ary ny andininy roa voalohany: " an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy."
Davida no nanoratra ity Salamo ity. Ary manambara izy eto fa an'Andriamanitra izao rehetra izao. Izy no Mpahary, Izy no Mpamorona, ary fantany hatramin'ny antsipirihany izany. Tsy takatry ny saintsika olombelona izany fa mahatalanjona.
Ho tohizana ihany ny vakiteny eo amin'ny Salamo - 24 ihany. Eto ary no manomboka ilay hira, andininy faha-3: " Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? Ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?  Izay madio tanana sy mahitsy fo. Izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka."
Iza amintsika no sahy milaza fa madio tanteraka, ka tsy misy lainga, tsy misy fitaka?
Davida ihany no milaza ao amin'ny Salamo - 51: 5 manao hoe: "Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko." Ary ny andininy faha- 7 amin'io Salamo - 51 io ihany, dia manao hoe: "Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka."
 Tsy tafavoaka samirery amin'ny fahotana izany ny olona, fa mila an'i Jesosy ho Mpamonjy azy. Mila mpanadio, mila sasana.
Tohizana ny vakiteny ao amin'ny Salamo - 24 ihany, andininy: 5, 6 -" Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy. Izany no taranaka mitady Azy. Izay mitady ny tavanao, dia Jakoba".
Aza mihevitra hianao fa ny herin'ny tenanao no ahitanao an'Andriamanitra. Fa Andriamanitra mihitsy  no nidina tety ambonin'ny tany, tamin'ny nanirahany ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."  (Jaona 3: 16).
Ary andao ange ho tohizana ihany ny vakiteny ao amin'ny Salamo - 24:7, 8 -"Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny Voninahitra. Iza izao Mpanjakan’ ny Voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery."
Mety hieritreritra angamba ianao hoe tena goavana mihitsy izany Andriamanitra izany, ka voatery ho akarina ny vavahady, hitarina ny varavarana. Ny zavatra azo antoka dia ity, tsy maintsy hovohana midanadana ny varavarana hidiran'Andriamanitra. Sao matahotra hianao na misalasala, ka atao mitanila fotsiny ny varavarana, ka hirika kely fotsiny no eritreretinao hampidirana Azy. Fa vohay midanadana tsara ny varavaranao hidiran'ny Mpamonjy ao aminao.
Ahoana moa no fomba fanao raha hadray manam-boninahitra, na olona manan-kaja ireny? Tonga amin'ny lazain'ny teny frantsay hoe: velarina ny "tapis rouge"? Amboarina atao tsara tarehy ny fidirana handraisana ny vahiny, handraisana ny olo-manan-kaja. Tsenaina araka ny tokony ho izy izany vahiny manan-kaja izany.

Koa mba manao ahoana ny fomba fitsenanao sy fandraisanao an'Andriamnitra? Menamenatra ve?  Mampalahelo ve?  Sa amin'ny fomba manetriketrika mendrika an'Ilay ho avy?

Tsara ho marihina, fa ny varavarana nolazain'i Davida eto dia ny varavaran'ny Tempoly. Ary satria moa Tempolin'Andrimanitra ihany koa ny tenantsika (1Korintiana 3:16), dia fotoana  tokony hanandratantsika ny lohantsika koa izao. Tsara koa ny manamarika fa miverina in-4 ny matoateny asandrato ato amin'ity Salamo ity. Ny isa 4 dia midika fa zavatra ataon'ny olona io, tokony hataon'ny olona. Fa ny momba an'i Jehovah kosa dia miverina in-3 raha miresaka Azy. Ny isa telo dia milaza ny isa an'Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ary eto, raha miresaka momba an'i Jehovah dia milaza hoe Jehovah mahery, Jehovah mpiady mahery, Jehovah tompon'ny maro.

Fa ahoana kosa ary izany hoe manandratra ny loha izany?

I Youri Djiorkaef, mpanao baolina malaza iray, dia niteny toa izao: "ny mpilalao baolina mahay dia ny mpilalao izay mahay manandratra ny lohany, na dia efa sahirana aza. Ka na dia efa voahodidin'ny mpilalao aza izy, dia afaka mahafaty baolina ny lohany, izay vonona sy miandrandra mandrakariva".
Misy tenin'i Jesosy ao amin'ny  Lioka 21: 28, manao hoe: "... Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. » - Lioka 21:25-28.
Efa miseho avokoa ireo famantarana mialoha  ny fiavian'i Jesosy fanindroany. Zavatra iray no mety ho tsy mbola  mahatonga ny Tompontsika, dia izay voasoratra ao amin'ny Matio 24: 14 - "Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity Filazantsaran’ ny Fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."
Tahaka ny nanamboaran'i Jaona Mpanao Batisa ny lalana hahatongavan'i Jesosy teto ambonin'ny tany no tokony hanamboarantsika ny fiainantsika kosa ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany.
Hiverina ao amin'ny Salamo isika. Salamo - 24: 9, 10 - "Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny Voninahitra. Iza ary izao Mpanjakan’ ny Voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny Voninahitra."
Koa manentana antsika ny tenanay mba hampandroso izany Mpanjakan'ny Voninahitra izany.

Vavaka: Jehovah Andriamanitray ô, fotoana tokony hahavonona anay amin'ny fihavianao tokoa izao. Ampio izahay mba hanandratra ny lohanay, ary hiandrandra izany fihavianao be voninahitra izany. Amin'ny Anaran'i Jesosy. Amen.

Commentaires

Articles les plus consultés