Manao ahoana ny tombabidin'ny tenantsika ?

Gen. 1: 27 - "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy".
Sal. 139: 14 - "Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany".
1Kor. 6: 19, 20 - "Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo".

Tsy misy zava-boahary voalaza fa noforonina araka ny endrik'Andriamanitra eto ambonin'ny tany afa-tsy ny olombelona. Tombotsoa lehibe tokoa izany. Raha vao mahita olona hianao, na manao ahoana na manao ahoana ny endriny dia tadidio fa mitondra ny endrik'Andriamanitra koa io olona io. Mirakitra zava-mahatalanjona tsy takatry ny saina ny vatantsika olombelona.
Vokatry ny kisendrasendra ve izany, na ny fivoarana miandalana ? Tsia, Andriamanitra no namorona izany ho antsika. Inona ary no adidintsika amin'izany aina nampindramina antsika izany ?

1Kor. : 17 - "Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimbain’ Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany".
 1Kor. 6: 20a - "Fa olom-boavidy hianareo".
 Eks. 20: 13 - "Aza mamono olona".

Miara-dalana hatrany ny tombotsoa sy adidy. Izay nomena aina dia nomena adidy hikarakara an'izany. Izay manimba hoy Andriamanitra dia ho simbaina.
Ny fomba fiaina mahasalama sy mampivelatra ny olona manontolo dia fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra izay niavian'ny aina.
Ny didy hoe aza mamono olona ao amin'ny dikan-teny fototra dia manao hoe: tsy hamono ianao, izany hoe tsy ny olona ihany no tsy vonoina fa ny manan'aina rehetra ihany koa.

Inona avy ireo fitsipika sy fanao izay tokony ho tandremana ?

1Kor. 5: 9- 11 - "Nanoratra taminareo teo amin’ ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’ izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’ izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’ izao tontolo izao hianareo. Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ ny toy izany hianareo".
Jak. 3: 6 - "Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy".

Ankoatry ny fahasalamana ara-batana, dia tsapa koa fa ny hahamasina ny olona no fenitra ambony tian'Andriamanitra hiainan'ny olombelona ety an-tany. Araka izany, dia tokony ho fadiana ny fanao ratsy rehetra eto amin'ity 'zao tontolo izao ity. Tsy tokony ho salama fotsiny ny vahoakan'Andiramanitra fa ho masina ihany koa.

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny sakafo ara-pahasalamana ?

Gen. 1: 29 - "Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinanareo ireny".
Gen. 9: 3 - "Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra".
Lev. 11: 2, 3 - "Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany: Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo".
Lev. 11: 9, 29, 30 - "Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo; Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany, ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana".

Zava-maniry fotsiny no sakafo nomen'Andriamanitra ny olona tany am-piandohana. Taorian'ny safo-drano vao nomeny alalana hihinan-kena ny olona. Tsy ny hena rehetra anefa no navelany hohanina, fa nomeny ny fepetran'ireo hena madio sy tsy madio. Mety hisy hanao hoe tsy fepetra efa lany andro ve izany ? Amin'izao vanim-potoana kristiana izao ary, tsy efa nodiovin'Andriamanitra ve izay nolazainy fa maloto teo aloha ? Aoka tsy hadino fa tsy miova Andriamanitra. Jesosy dia tonga teo amin'ny Azy. Izany hoe tao amin'ny firenena Jiosy, izay nivelona tamin'ireo fitsipika ara-tsakafo nomen'Andriamanitra ireo. Ny dikan'izany, Jesosy dia nanaraka izany fitsipika izany. Ary azo antoka fa tsy nihinana ireo hena tsy madio Izy.
Farany, tsy ny biby maloto no nodiovin'Andriamanitra, fa ny jentilisa no nampitahain'ny Jiosy tamin'ny biby maloto. Izany no tontolon-kevitry ny zava-niseho ao amin'ny Asa. 10.

Raha mahasoa antsika ireo zavatra raran'Andriamanitra tsy hatao na hanina ireny dia ho navelany hataontsika sy hohanintsika. Tsy manafoana ny safidintsika anefa ny fepetra omeny. Manana fahafahana hankato sy tsy hankato Azy isika, saingy samy hafa tanteraka ny lalan'ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana. Inoanay fa anisan'ireo manapa-kevitra hanaraka ny fitsipika omen'Ilay Ray be fitiavana any an-danitra hianao.

Andeha hoentitsika am-bavaka eo Aminy izany fanapahan-kevitra izany.
Vavaka: Rainay tsara indrindra izay any an-ndanitra ô, misaotra anao izahay noho ny amin'ny vatana mahagaga izay nomenao. Misafidy izahay ny hanome voninahitra Anao amin'ny alalan'ny fifadiana ny fomba fiainana tsy masina, sy ny tsy fikasihana ireo sakafo tsy madio. Ampio izahay hiara-miasa Aminao, hamerina ny endrikao eo aminay. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen. 

Commentaires

Articles les plus consultés