Ny akanjony

Raha misy zavatra mitotongana, mirefarefa, mitratrevatreva, mietraketraka dia ny fomba fiakanjo. Tsy ho ela dia hanahirana ity resaka akanjo isalorana ity. Karazany maro ny akanjo tian'ny tsirairay avy hanaovana amin'izao fotoana izao, raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ireo fitafy mampiseho kibo, mampiseho tratra, ny tata-bitrana, ny fohy loatra, nefa dia anisan'ny akanjo lafo vidy.
Fa anio isika dia hiresaka akanjo iray maimai-poana, tsy vidiam-bola, ary zaraina ho an'izay te handray izany. Tsy vitan'ny hoe maimai-poana ihany izy io, fa raha misalotra io akanjo io hianao dia ho azo antoka ny famonjena.
Mampalahelo fa rehefa nasalotr'Andriamanitra tamin'ireo razamben-tsika voalohany io akanjo io dia norovitiny, ary dia nanamboatra akanjo vitan'olombelona tamin'ny ravin-kazo, napetapetaka teo amin'ireo maha menatra teny amin'ny vatany izy. Ka rehefa niantso azy ireo Jehovah Tompo dia nitsoaka tany anaty saha izy ireo, satria  hiseho ny fitanjahany.

Mampalaelo fa ny olona izay tsy manana ny akanjom-pahamarinan'i Kristy dia manomboka tsy mahay menatra. Ny fiakanjo dia maneho toetra, ka arakaraky ny akanjo asalotrao amin'ny tenanao no azo itarafana ny toetranao, ka mety ho  maotina, tso-piaina, masina, na ny mifanohitra amin'izany.

Fahamarinana tsy azo lavina no noresahantsika teo na dia misy aza ny mandà izany.
Anisan'ny mampiavaka ny mpisoronaben'Andriamanitra dia izy manana akanjo manokana. Raha tsorina izany akanjo izany dia akanjo tsy fanaon'ny olona rehetra fa ny mpisoronabe ihany. Koa raha isika miaina amin'ny andro farany, zanak'Andriamanitra no nantsoina ho mpisoron'Andriamanitra , dia manana heviny manokana amintsika izany akanjo izany.
Isaia 16: 10a - "Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho".

Ny akanjo dia mariky ny fahamarinan'i Kristy, 'zay mandrakotra ny fitanjahantsika rehetra. Manaiky izany isika. Maimai-poana hoy isika teo ny akanjo izay omen'ny lanitra antsika, dia akanjo izay notenomin'ny lanitra. Akanjo izay tsy hain'ny mpanjaitra ety ambonin'ny tany zairina fa ny lanitra no manjaitra azy. Koa raha misy tia ny akanjo avy any ivelany, dia manoro hevitra anao aho mba handray ilay avy any an-danitra fa tsy vidiam-bola izany.

Izay rehetra mitafy ny akanjom-pahamarinan'i Kristy dia mitsangana eo anatrehany ho toa ny olom-boafidy mahatoky sady olo-marina. Raha manaiky ianao hiakanjo io akanjo namboarin'ny lanitra io, vonona koa hianao hijoloka izany isan'andro dia ho olom-boafidiny, ho olo-mariny hianao.

Anisan'ny zavatra sarotra, fisaka amin'ny andro ankehitriny ny mitady ny marina. Ary mahagaga fa matetika ny  manana ny marina indray no voasoketa, no menatra fa ny meloka indray no miteny betsaka, lasa izy indray no mahazo vahana. Ny marina dia manomboka sarotra ny miteny azy, lasa maha sadaikatra, eny fa na dia ao ampiangonana aza. Nefa ny lanitra dia miteny hoe, raha mandray io akanjo avy any an-danitra io isika dia ho olom-boafidy ary hatao ho isan'ny marina.

Ilay fanoharana nataon'i Jesosy momba ny zanaka adala (Lioka 15), dia maneho fa rehefa tonga ilay zanaka lahy dia 'zao no nolazain'ny dadany tamin'ny mpanompo : "alao haingana ny akanjo, asio peratra ny tanany". Mbola ilay akanjo nanaovany tamin'izy niainga avy tao an-tranon-drainy ihany mantsy, tsy mbola niova, no teny an-kodiny tamin'izy nody tao an-tranony. Raha nahatazana azy ny rainy tery alavitra ery dia nanontany hoe mba iza re ity olona tamy rovitra akanjo sy maloto toy ny adala na avy norambasan'ny alika romotra ity e ? Dia nodinihin'ny rainy tsara ilay tovolahy, ka hoy izy hoe : "ny zanako ity. Alaivo haingana". Tsy sakafo no nomeny azy mialoha, fa ny akanjony no nasainy nosoloina haingana. Izay no manambara fa ho an'ny olona iray izay manatona an'Andriamanitra dia mila atafy azy haingana ny akanjo avy any an-danitra, dia tsy inona izany fa ny fahamarinan'i Kristy. Olo-meloka isika, mpanota, olon-dratsy, koa raha tsy saromana an'io fahamarinana avy any an-danitra io dia hihanjahanja eo amin'ny fiaraha-monina, eo anatrehan'Andriamanitra izany heloka vitantsika izany. Mila saromana izany. Izany no mahatonga ny olona manan-tsaina, olon-kendry mahay manafy, manarona ny henatra eo aminy. Ary dia toa izany koa isika eo anatrehan'Andriamanitra, mila rakofana ny fitafian'ny lanitra isika tsirairay avy mba tsy hiseho ilay henatry ny fahotana vitantsika eo anatrehan'Andriamanitra isan'andro isan'andro.

Amin'ny maha mpanota antsika izany dia izao, ny vavaka izay ataontsika dia tsy tonga any amin'ny Ray na oviana na oviana raha tsy misy ny fanelanelanana ataon'i Kristy, ny fahamendrehan'i Kristy. Amin'ny maha mpanelanelana Azy izany dia miezaka mihazona antsika mandrakariva Izy. Tsy maintsy manao izany Izy amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataony tahaka ny tsy maintsy nanavotany antsika tamin'ny rany.

Izy tenany mihitsy no nametraka teo amin'ny alitara masin'ny mpisolovava iray, izay mitana ny toerantsika amin'ny maha mpanelanelana Azy, ny andraikitra nankinina Taminy, dia ny haneho amin'Ilay Mpahary ny maha zanaka lahy sy zanaka vavy antsika. Manao asa fanelanelanana ho an'ireo izay mandray Azy Izy.

Fanantenana lehibe, tombotsoa lehibe no nomena antsika. I Kristy no mampihavana ny olombelona amin'ny Ray. Rehefa manatona ny Tompo amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy isika dia ampiankanjoana ny fitafian'ny finoana. Ary tena zava-dehibe izany, izay fampitafian'i Kristy ny akanjom-pahamarinany ho an'ny mpanota izay. Ny mpanota izany dia tsy misy marina na dia iray aza, fa manamari-tena fotsiny. Fa  ny fanamarinan'i Kristy ny mpanota no mahatonga ny mpanota ho marina, fa tsy ny fitenenany hoe marina izy. Fa tsy misy heviny izany fa mpanota izy.

Eo anilany no ametrahany antsika. Apetrany eo an-tsorontsika ny tanany mitafy nofo, fa ny tanany amin'ny maha Tompo Azy kosa no andraisany ny fiandrianany mandrakizay.

Rehefa manao asa ho antsika Kristy dia miasa ao am-pontsika ny Fanahy, manao vavaka, fivalozana, fiderana, ary fisaorana. Ny fankasitrahana izay mivoaka avy amin'ny molotr'olombelona dia vokatry ny fandonan'ny Fanahy ny ati-fo lalina, ary miaraka amin'ny feon-kira masina, ka rehefa mbola tsy voaova ny fo dia tsy afaka hidera sy hakalaza ny zanak'Andriamanitra. Fa ny fiovam-po omen'i Kristy irery ihany, ilay fo vaovao izay omeny anao irery ihany, io ihany no fomba ahafahan'ny mpanota hiova sy ho tafaala amin'ny toetra ratsy.

Tohin'ny vakiteny, tsy hanam-pahefana handrombaka azy ireo eo am-pelatan'ny Mpamonjy mihitsy i Satana raha ohatra ka nanaiky haka an'io akanjo avy any an-danitra io. Dia tsy vitan'ny hoe tsy hiseho ihany ny henatra vitanao teo anatrehan'Andriamanitra, fa ny vaovao mahafaly ihany koa dia ny voalazan'ny Fanahin'ny Faminaniana fa tsy hanam-pahefana amin'izany olona manana izany akanjon'ny lanitra izany i Satana. Koa manoro hevitra anao, meteza hanao izany akanjo izany satria ho lasa mpandresy an'i Satana koa ianao raha manaiky hanao izany. Amin'ny teny hafa, io akanjo io dia arona ihany koa izy io. Raha misy pitandro filaminana anakiray eny amin'ny arabe ka tsy manao ny fanamiana maha pitandro filaminana azy, ny olona rehetra dia tsy maha marika fa tokony ho hajaina izy, fa rehefa anaovany kosa ny akanjo maha pitandro filaminana azy dia manaja izany olona izany avy hatrany ny rehetra. Toy izany koa, rehefa misalotra ny akanjo omen'i Kristy, akanjom-pahamarinana vita avy any an-danitra isika dia hatramin'i Satana avy no matahotra sy manaja izany. Zava-dehibe eo amin'ny lafiny ara-panahintsika ny fandraisana izany akanjom-pahamarinana izany.

 Natao ho antsika ny teny fikasana nomena an'i Josoa manao hoe: "Raha mizotra amin’ ny lalako hianao sy mitandrina ny didiko, dia hianao no hitsara ny amin’ ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ ireo mitsangana ireo hianao" Zakaria 3: 7. Raha manao io akanjo io ianao dia tsy hoe mandalo na matahotra i Satana, fa ny anjely koa dia miaraka amintsika, sahala amin'ny ireny olo-manankaja manana mpiambina manokana ireny isika satria manao ny akanjon'ny lanitra. Tena zava-dehibe izany.

Ny fitafian'ny mpisoronabe dia maneho ny akanjom-pahamarinana. Nomena antsika io akanjo io, ka rehefa misalotra izany akanjo izany isika dia ho lasa marina. Ny fahamarinan'i Kristy no mahatonga ny mpanota hibebaka ary ho azo ekena eo anatrehan'Andriamanitra, ary hanatanteraka ny fanamarinana azy. Io akanjom-pahamarinana io no manamarina ny mpanota mibebaka eo anatrehan'Andriamanitra. Hamarinina, ny dikany dia tsy hoe marina isika fa saromana. Raha misy tasitasy ohatra ny akanjo, dia saromana an'io akanjo avy amin'i Jesosy io ny akanjonao teo aloha, dia izay no atao hoe hamarinina.

Koa raha misy olona te hahazo fahadiovam-po, dia izao no baiko tononina avy any ambony, indro efa noesoriko ny helokao, ary nampiankanjoiko akanjo fihaingoana ianao, dia ny akanjo fotsin'ny fahamarinan'i Kristy izay notenomina avy any an-danitra. Izay mitoetra ho mahatoky amin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy, ireo olona ireo no hampanaovina ny fitafiana be voninahitra, izay tsy voaloton'ny fahotan'izao tontolo izao. Ary tsy vitan'ny hoe mandresy fakam-panahy ihany, fa ny olona manaraka ny fahamarinan'i Kristy dia soratana ao amin'ny boky ny anarany, satria izay tsy manam-pahamasinana dia tsy handova ny lanitra. Izany no mahatonga antsika mila atao batisa, diovina, hamarinina, hosasana ho afaka amin'ny fahotana. Izany no fahazoan-dalana ho anao, hosavana io fahamarinana io ka izay tsy manana an'io dia tsy afaka miditra ny lanitra izy. Noho izany ny olona manaiky hohamarinina, ho diovin'i Kristy dia zava-dehibe satria dia soratana ao amin'ny bokin'ny lanitra izany zavatra izany.

Farany, inona no hamantarana fa efa nandalo fanamarinana isika?

Hilaina ny mahafantatra an'izany. Ny hoe olo-marina dia matahotra an'Andriamanitra. I Joba dia olo-marina, natahotra an'Andriamanitra, ka nifady ny ratsy. Ny olona iray rehefa mandala ny fahamarinana dia manomboka malaina izy hanao ny ratsy. Tsy mifaly mahita ny ratsy. Tsy mivadivadika amin'ny fahamarinana tazominy. Ny fandavan-tena, ny hatsaram-panahy, ny fahafoizan-tena dia hita eo aminy. Ny fiantrana, ny fitiavana, ny faharetana, ny faherezana ary ny faharisihana kristiana dia ho hita eo aminy isan'andro. Ka na amin'ny toe-javatra sarotra na mora dia tsy mivadibadika izy eo amin'ny fahamarinana tazominy. Aoka isika hitalaho amin'i Kristy mba ho hamarininy. Meteza ianao hibebaka, hanatona an'Andriamanitra satria ny olona mahita ny tsy fahamendrehana eo aminy irery ihany no afaka handray io akanjo zaraina maimai-poana io. Ny zavatra mora vidy dia tsy mampiraika firy ny mpiantsena. Fa kosa milaza aminao aho fa maimai-poana ny akanjo noafarana avy any an-danitra. Fa tsy ho azonao izany raha hitanao fa mbola metimety ny fiainanao ety. Ilay akanjonao izao raha mbola hitanao fa mbola tsy rovitra dia tsy ho azonao ilay ary. Koa ny faniriana amintsika tsirairay dia ny handini-tena, ary hanaiky hosasan'i Kristy ny fony. Hanao dingana ny tsirairay mba higoka izany fahamarinana tsy vidiam-bola izany izay antoka ho an'ny tenantsika.

Ny Tompo anie homba tsy hitahy antsika mba samy ho olo-marina isika rehefa miseho ny zanak'Andriamanitra. Dia ho hita ho tsy manan-tsiny isika ka handova ny lanitra.

Commentaires

Articles les plus consultés