Fahagagana
Maro no manontany hoe aiza ary ireo fahagagan'Andriamanitra ankehitriny?
Misy ny sasany aza manorina teôlôjia manodidina ny hevitra hoe tsy miseho intsony ny zavatra mihoatra ny herin'olombelona na heverin'izy ireo fotsiny ho sarintsariny ny fahamarinan'izany. Kanefa tsy izany velively! Velona Jesôsy, manana ny fahefana rehetra Izy ary mbola miahy sy mikarakara ny vahoakany. Mbola misy fahagagana fa rehefa mikasika ny onin'i Jordana irery ihany ny tongotsika. Tsarovy fa rehefa nikasika ny onin'i Jordana ny tongotr'ireo mpisorona nankato vao nisaraka roa ny rano. (Josoa 3:15)
Mifandraika amin'izany, rehefa mandroso amin'ny fankatoavana ny antson'Andriamanitra isika vao miseho ny zavatra mihoatra ny herin'olombelona. Ho lasa dongon-tany ny tendrombohitra ary ho lasa totozy kely ny biby mahatsiravina.
Ireto manaraka ireto ireo fahagagana nandraman'i Josoa rehefa nanaraka amim-pahatokiana ny Tompo izy:
- Nizara roa ny onin'i Jordana nisamboaravoara
- Nianjera ny manda mafin'i Jeriko
- Nijanona tsy nihetsika ny masoandro sy ny volana
- Azo ny tany Kanana
- Niova izy!
Angamba ny fahagagana lehibe indrindra tao amin'ny bokin' i Josoa dia ny fahagagana niseho teo amin'ny tenany. Tsy hafa fa ilay lehilahy izay nangovitry ny tahotra rehefa nasaina nitarika ny Isiraely no nanjary mpampaheryny hafa! Mariho ny zavatra nolazainy tamin'ireo Isiraelita namany ao amin'ny Josoa 10:25 "Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo".
Amin'ny fomba fiteny hafa, i Jesôsy dia eo anilan'ny Ray ary noho izany dia eo anilan'ireo izay manaraka an'Andriamanitra irery ihany izy.

Commentaires
Enregistrer un commentaire