LESONA 1


NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao mbamin'izay rehetra ao aminy, dia mandefa hafatra amintsika. Izany hafatra izany dia ny Baiboly, na ny tenin'Andriamanitra. Olona masina nohetsehin'ny fanahin'Andriamanitra no nanoratra azy. Ao amin'io teny nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra io no ahitantsika fa tia antsika Andriamanitra. Ny Baiboly dia mitondra ny olona ho eo amin'ny làlan'ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay. Jiro izay manazava  ao amin'ny maizina koa izy. Koa raha mianatra azy isika dia hisinda ny aizin'ny tsy fahalalana ary hisokatra ny voaly manakona ny ho avy.

1- Antsoina hoe inona moa ny Baiboly?
Valiny. "Ny Tenin'Andriamanitra" (Heb. 4: 12)

2- Iza no nanome ny Baiboly ary tamin'ny fomba manao ahoana?
Valiny. Andriamanitra no nanome azy ny olona tamin'ny alalan'ny tsindrimandry. (2Tim. 3: 16).

3- Amin'ny fomba manao ahoana no maha-Tenin'Andriamanitra ny Baiboly?
Valiny. Ny Baiboly dia tsy boky nilatsaka avy tany an-danitra tsy akory, na teny naloaky ny vavan'Andriamanitra avokoa. Fa ny Fanahy Masina no nanome hevitra an'ireo olona masina sy nanetsika azy hanoratra, teo ambany fitarihany. "Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona arak'izay nitondran'ny Fanahy Masina azy" (2Pet. 1: 21).

4- Nahoana moa ny Baiboly no ambony indrindra amin'ny boky rehetra?
Valiny. Maro ny boky mahasoa, saingy momba izao fiainana izao fotsiny. Ny Baiboly kosa dia sady manome ny fiainana mandrakizay no mampahalala an'Andriamanitra marina. "Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy" (Jao. 5: 39, Baib. Kat.).

5- Inona no vitan'ny Baiboly amin'izay mino sy mankato  azy?
Valiny. "Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena ..." (2Tim. 3: 15). "Mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra" (2Tim. 3: 17).

6- Manan-kery ve ny Tenin'Andriamanitra?
Valiny. Ny Tenin'Andriamanitra, izay nanaovana izao tontolo izao avy tami'ny tsy nisy, dia afaka ihany koa hamorona fo vaovao ao anatin'ny olona.
"Fa Izy no niteny, dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany". "Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin'ny  voa mety ho lo, fa tamin'ny tsy mety ho lo, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra" (Sal. 33: 6, 9; 1Pet. 1: 23).

7- Haharitra mandra-pahoviana ny Tenin'Andriamanitra?
Valiny. Ny hevitr'olombelona dia mora malazo, fa maharitra mandrakizay kosa ny Baiboly. "Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay" (Isa . 40: 8).

8- Manao ahoana no tokony handraisantsika ny Baiboly?
Valiny. Na ny Baiboly, na Kristy, dia samy antsoina hoe ny "Tenin'Andriamanitra" (Apok. 19: 13, 16).
Noho izany, ny Baiboly dia tokony homentsika ny toerana sy ny voninahitra mendrika an'i Kristy eo amin'ny fiainantsika.



                                                                                                                                        LESONA 2 >

Commentaires

Articles les plus consultés