LESONA 2
1- Anjely nanao ahoana Losifera?
Valiny. Anjely tsara tarehy sy nahery Satana talohan'ny nanotany. Na dia ankehitriny aza, dia mbola be voninahitra izy, fa tsy araka izay iheveran'ny ankamaroan'ny olona azy. (Jereo Ezek. 28: 12 - 19).
2- Nanao ahoana no nanotan'i Satana?
Valiny. Nanadino ny maha-zava-boahary azy izy, ka niavonavona sy anjary be fialonana. "Mba Andriamanitra ko aho", hoy izy; "ary eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no hipetrahako". (Ezek. 28: 2).
3- Niteraka inona izany fikomiana izany?
Valiny. Nanjary nizara ho antoko roa ny lanitra, dia ireo nijanona ho mahatoky tamin'Andriamanitra sy ireo nanaraka ny hevitr'i Satana. Ta handrombaka ny fitondram-panjakana Satana, ka dia nisy ady tany an-danitra; nefa tsy naharesy izy ny anjeliny ka noroahina hiala tany. (Apok. 12: 7 - 9).
4- Inona moa no asan'i Satana, ary aiza izy izao?
Valiny. "Mamitaka izao tontolo izao" izy. (Apok. 12: 9). "Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady zay harapany" (1Pet. 5: 8). Izy ireo koa no antsoina hoe " fanahy ratsy eny amin'ny rivotra" (Efes. 6: 12).
5- Nahoana raha vao nikomy Satana no tsy nolevonin'Andriamanitra?
Valiny. Andriamanitra irery ihany no nahalala izay ho vokatry ny fahotan'i Satana. Ireo anjely nahatoky dia tsy nahalala izay fahoriana hateraky ny fahotana; koa nety ho nisalasala ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra izy, raha tonga dia nolevonina Satana. Tsy maintsy navela hivelatra sy hihanjahanja eo anatrehan'izao rehetra izao ny tena toetrany, ary rehefa holevonina izy amin'ny farany, dia tsy hisy tsy hiaiky amin'izay fa marina sy rariny ny fanadevonana azy.
6- Ka dia misy fanjakana ara-panahy firy ary ankehitriny eto an-tany?
Valiny. Roa. Ny "fanjakan'ny maizina" dia ny an'i Satana izany ary ny "fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra" (Kol. 1: 12, 13). Ny olona tsirairay avy dia tsy maintsy hifidy: izay tsy mifidy ny fanjakan'i Kristy, dia efa ao anatin'ny fanjakan'i Satana rahateo.
Commentaires
Enregistrer un commentaire