LESONA 3
Andriamanitra no namorona an'i Adama, ilay lehilahy voalohany indrindra, sy Eva, ilay vehivavy voalohany indrindra, ary napetrany tao amin'ny tanimboly tsara tarehy tao Edena izy mivady. Azony nihinanana, afa-tsy anankiray ihany, ny hazo rehetra tao amin'ny tanimboly. Nasiana fandrarana io hazo anankiray io, mba hizahana toetra ny fankatoavan'ireo razamben-tsika, satria teo namelana an'i Satana haka fanahy azy.
Ny fandikany an'io didin'Andriamanitra io, dia hahatonga ny fahafatesany, satria fisarahana amin'Andriamanitra, Izay Loharanon'ny Fiainana izany.
Araka ny toetrany, dia nandainga Satana, mba hahazoany mamitaka ny olona. Hoy izy: "Tsy ho faty tsy akory hianareo". Na dia izany aza anefa, ny fanarahan'ny olona ny tenin'ny devoly fa fandavana kosa ny baikon'Andriamanitra, dia tena fanalana baraka an-kitsirano ny Mpahary teo imason'ny fahavalo sy ny lanitra manontolo. Lasa andevon'i Satana ny olona rehetra resiny. Noroahina hiala tao an-tanimboly Adama sy Eva; ary nilazana fa hiasa mafy sy hiverina amin'ny vovoka amin'ny farany. Noho io fandikana ny didin'Andriamanitra io ary dia "nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana". Nefa fatratra indrindra ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao ka nisy plana efa voavolavolany hamonjeny azy, ho afaka amin'ny tsy fankatoavana sy ny fahafatesana.
1- Zava-boahary ve ny olona voalohany indrindra sa nisy ho azy?
Valiny. "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ... lahy sy vavy no namoronany azy" (Gen. 1: 27).
2- Nanao ahoana ny nizahan'Andriamanitra ny toetra ny fankatoavana sy ny fitiavan'i Adama sy Eva Azy?
Valiny. "Ary Jehovah nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana, fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao" (Gen. 2: 16, 17).
Tsy nisy poizina mahafaty tsy akory ny vaon'ilay hazo, fa ny fandikana ny didin'Andriamanitra no mahafaty, ary izany no atao hoe ota. Mariho fa hazo iray ihany no voarara.
3- Nanao ahoana ny nanoheran'i Satana izay voalazan'Andriamanitra?
Valiny. Nohozongozonin'i Satana aloha ny fahatokian'i Eva ny tenin'Andriamanitra taminy; rehefa izany dia sahy nanoso-dratsy an'Andriamanitra sy nampandainga Azy izy: "Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin'ny saha? ... Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr'Andriamanitra fa amin'zay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy" Gen. 3: 1- 5).
4- Nanao ahoana ny nanotan'i Adama sy Eva?
Valiny. Azon'i Satana tamin'ny filàn'ny maso sy filàn'ny tenda ary rehaka hitovy amin'Andriamanitra Eva, ka "dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny ka dia nihinana izy" (Gen. 3: 6).
5- Inona no valin'ny fahotana?
Valiny. Tsy maty ny androtry ny nanotany, araka izay voalaza, Adama sy Eva, satria Andriamanitra namindrafo taminy sy nanome azy fotoam-pibebahana. Ho faty ihany anefa izy. Toy izany no "nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana" (Rom. 5: 12).
6- Afa-tsy ny fahafatesana, inona koa no vokatry ny fahotana?
Valiny. Tsy ny taranak'i Adama sy Eva ihany no niharan'ny vokatry ny fahotany fa ny fanjakany koa, dia ny zava-boahary manontolo. "Voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy" (Gen. 3: 17, 18).
7- Nafoin'Andriamanitra ho very ve ny olona?
Valiny. Ny olona no nahafoy an'Andriamanitra fa Andriamanitra tsy nahafoy ny olona. "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" (Jao. 3: 16).
< LESONA 2 LESONA 4 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire