LESONA 4
Ny anjely ratsy dia miezaka fatratra amin'ny famitahana ny olona, mba hahazoany mamery azy sy manembatsembana ny asan'Andriamanitra eto an-tany. Manan-kery hiasa amin'ny sain'ny olona ireo anjely ratsy ireo, ary raha avelan'Andriamanitra dia afaka hahatonga loza tsy hita noanoa amin'ny taranak'olombelona. Ny fitaka mahatsiravina indrindra afitsony dia ny momba ny maty, fa na mpanompo sampy, na spirita, na mpivavaka, dia samy tafiditra ao amin'ny haratony avokoa. Indraindray ny anjely ratsy dia miditra ao anatin'ny olona, toy ny nidiran'i Satana tao amin'ny menarana tao Edena; indraindray koa izy maka endriky ny olona efa maty ka miseho amin'ny velona; mety tsy hiseho akory anefa izy, fa manao fahagagana fotsiny amin'ny anaran'ny olona efa maty, masina na tsy masina. Fantany tsara mantsy fa mamy amin'ny fon'ny olona ireo efa nodimandry. Anjarantsika ny hisafidy, na hino ny fanambaran'ny tenin'Andriamanitra, izay milaza mazava fa maty ny maty isika, na hanongilan-tsofina amin'ilay fahavalo tahaka an'i Eva ka ho lavony.
1- Moa ve manana mpanampy Satana amin'ny asa ratsiny?
Valiny. Eny. "Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao, dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy" (Apok. 12: 9).
2- Afaka miditra ao amin'ny olona, na biby ve ireo fanahy ratsy ireo?
Valiny. Eny; ary na dia amin'ny kisoa aza.
"Nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy", rehefa avy noroahina hiala tao amin'ilay lehilahy demoniaka (Mar. 5: 12; Baib. Kat.).
3- Avelan'Andriamanitra hifampiraharaha amin'ny olona manao azy ho manana fanahy ratsy, na fanahin'ny maty ve isika?
Valiny. Tsia. "Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na izay mpanao hatsarana ... dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny fireneny izy" (Lev. 20 : 6).
4- Inona no antony andraran'Andriamanitra mafy antsika tsy hifampiraharaha amin'ny maty?
Valiny. Raha ny havantsika marina no miseho amintsika, dia tsy hita izay tokony hahatezitra an'Andriamanitra amin'izany. Fa tsy tian'Andriamanitra hahavoafitaka antsika ireny mpanompon'ny devoly ireny, indrindra amin'izao andro farany izao, izay mialoha ny fiverenan'i Kristy. "Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha" (Apok. 16: 14)
5- Lehilahy malaza iza no maty tao amin'ny fahotany noho ny nanontaniany ny maty?
Valiny. "Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy nony nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah" (1Tant. 10: 13, 14).
6- Iza no tokony hilan'ny olona saina, Andriamanitra sa ny devoly?
Valiny. "Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?" (Isa. 8: 19).
Noty: Tsy Jehovah tsy akory no tsy mamaly, fa ny olona no tsy mety miala amin'ny faharatsiany ka tsy afaka hihaino azy Jehovah.
< LESONA 3 LESONA 5 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire