LESONA 5

NY RAHARAHAN'NY ANJELY TSARA

Andriamanitra dia tsy mamela ny vahoakany tsy hanana mpiaro amin'ny anjely ratsy. Alefany ny anjely tsara mba hiaro sy hikarakara ny olona. Tsy hitantsika izy ireny, nefa manodidina antsika izy. Indraindray izy dia miseho hita maso amin'ny olona. Ny olona tsirairay avy dia manana anjely izay voatendry hikarakara azy manokana mandrakariva. Na Kristy aza, tamin'ny adiny, dia nampaherezin'ny anjely. Ny anjely dia manatrika izay rehetra ataontsika sy manoratra amin'ny bokin'ny fiainantsika. Izy no vavolombelona nahita maso antsika ao amin'ny fitsaran'ny lanitra. Ny anjely dia mifaly raha mibebaka ny mpanota. Matanjaka noho ny anjely ratsy ny anjely tsara, ka noho izany dia tsy tokony hatahotra isika, raha an'Andriamanitra.

1- Inona no raharaha manokana ataon'ny anjely tsara?
Valiny. "Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena?" (Heb. 1: 4).

2- Moa ve isika tsirairay avy manana anjely mpiambina?
Valiny. "Mitandrema, fandrao hanao tsinontsinona na dia iray aza amin'ireny madinika ireny hianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra" (Mat. 18: 10).

3- Inona no ataon'ny anjely tsara hafa mba hiarovana antsika?
Valiny. "Ny anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy" (Sal. 34: 7). Raha manao mosalahy kosa anefa isika, ka mivaro-tena amin'ny anjely ratsy, dia tsy misy azon'ny anjely tsara atao afa-tsy ny mitazana, satria tsy afaka hanery ny sitrapontsika izy, fa manaja izany, tahaka izay ataon'Andriamanitra koa, mba samy ho tompon'andraikitra amin'ny ataony avy ny olona rehetra.

4- Tokony ho mby ao an-tsaintsika ve fa misy vavolombelona mahita isika?
Valiny. Eny. "Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho" (Mp. T. 5:5).

5- Tokony hivavahana ve ny anjely?
Valiny. Tsia. "Dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo aho. Dia hoy izy tamiko. Tandremo aza manao izao... Andriamanitra ihany no ivavako" (Apok. 22: 8, 9).

6- Inona no hataon'ny anjelintsika amin'ny fihavian'i kristy?
Valiny. "haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra" (Mat. 24: 31).



< LESONA 4                                                                                                                    LESONA 6 > 

Commentaires

Articles les plus consultés