LESONA 6
Raha namorona ny olona Andriamanitra tamin'ny voalohany, dia vatana sy fofon'aina fotsiny no nanaovany azy. Koa ny hoe 'fanahy' (âme) dia fomba enti-milaza ny fiainan'ny olona ihany fa tsy zavatra mahaleo-tena, na manana izay maha-izy azy, tsy akory. Ny fanahy (esprit) dia enti-milaza ny zavatra ara-tsaina, na ara-pivavahana, na koa iantsoana ireo zava-boahary hafa, toy ny anjely ratsy. Andriamanitra koa dia fanahy (Esprit). Ary na dia ny fofon'aina aza dia mbola fanahy (esprit) koa.
Ny lainga voalohany nataon'i Satana tamin'ny olona voalohany dia ny hoe "tsy ho faty tsy akory hianareo". Raha ny taratasy fampandrenesana fahafatesana ankehitriny no jerena, dia hita fa mihoatra noho izay nokendren'i Satana ny vokatra azony: tsy hoe mino ilay laingany fotsiny ny olona, fa mbola mihevitra koa fa na ratsy izy na tsara, rehefa maty, dia lasa "nody any amin'ny Ray", lasan'Andriamanitra, eo an-tratrany, any an-danitra.
1- Iza irery ihany no manana ny tsi-fahafatesana?
Valiny. Andriamanitra sy Kristy. "Ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana" (1Tim. 6: 15, 16).
2- Nahoana no Andriamanitra irery ihany no manana ny tsi-fahafatesana?
Valiny. Satria ny fisiany dia tsy miankina amin'ny inona na inona, fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka ..." (Jao. 5: 26).
3- Mety maty ve ny olona? Satria nahoana?
Valiny. Mety maty ny olona, noho izy zava-boahary, ka noho izany miankina amin'ny Mpahary azy ny ainy. "Nahoana hianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty?" (Isa. 51: 12). Tsy manana fiainana mahaleo-tena ny olona.
4- Moa ve izany ny fanahy (âme) mba maty koa?
Valiny. Tamin'ny famoronana, ny fanahy (âme) dia vokatry ny fikambanan'ny vatana sy ny fofonaina; ka noho izany, rehefa misaraka sy maty ny vatana sy ny fofonaina, dia mba maty koa ny fanahy (âme). Raha tsorina, ny atao hoe fanahy (âme) dia izao isika izao. Koa "ny fanahy (âme) izay manota no ho faty" (Ezek. 18: 4). Fa raha mibebaka kosa izy dia ho velona ihany.
5- Inona no hevitry ny hoe "tsy mety maty"?
Valiny. Ny hoe "tsy mety maty" dia zavatra tsy ho faty na dia vonoina aza, ary na dia Andriamanitra aza no hamono azy. Ny Baiboly anefa dia milaza fa "fahafatesana no tambin'ny ota" (Rom. 6: 23).
Ny tsi-fetezan'ny fanahy ho faty ary, indrindra ny fanahy izay manota, dia zavatra tsy azo inoana sy tsy azo ekena mihitsy, satria sady fihantsiana ny fahefan'Andriamanitra no fanaovana tsinontsinona ny fahamasinany.
6- Iza no nampianatra fa tsy ho faty akory ny olona na dia mandika ny tenin'Andriamanitra aza?
Valiny. Satana no nilaza izany, mba hahazoany mitaona an'i Eva hanota. "Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: tsy ho faty tsy akory hianareo" (Gen. 3: 4).
Noty: Hoatry ny marina io tenin'i Satana io, satria tsy maty tokoa ny androtry ny nanotany Adama sy Eva (Gen. 2: 18).
Ny antony anefa dia noho Andriamanitra namindra fo taminy ka nanome azy tombon'andro hibebahana ... tahaka antsika izao koa. Ary rehefa izany anefa dia ho faty ihany izy.
< LESONA 5 LESONA 7 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire