LESONA 20
Arak'izany anarana izany dia folo ny didin'Andriamanitra. Ny efatra voalohany dia mampiseho ny adidintsika zava-boahary amin'ny Mpahary; azo fehezina amin'izao teny izao: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitra amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" (Mat. 22: 37). Ny enina farany kosa dia milaza ny adidintsika amin'ny namantsika, izay azo tsorina tahaka izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Mat. 22: 29). Fitiavana, izany no fototry ny Didy Folo: fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, ary fitiavana ny hafa tahaka ny tenantsika ihany. Koa ny fitiavana dia asehon'ny fitandremana ny didiy tsirairay avy. Ny Didy Folo voasoratra manaraka eto, dia araka izay ahitana azy ao amin'ny Baiboly nadikan'ny Katolika. Eksaody 20, andininy faha 3- ka hatramin'ny faha -17.
1
"Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako hianao.
2
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny eny amin'ny tany ambany, na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory hianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saropiaro, ka amin'izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, ary amin'izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo.
3
Tsy hanonom-poana ny anaran'i Iaveh Andriamanitrao, fa tsy havelan'Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
4
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy. Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an'Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. Satria ny andro enina no nanaovan'Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan'Iaveh ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
5
Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro hianao any amin'ny tany omen'Iaveh Andriamanitrao anao.
6
Tsy hamono olona hianao.
7
Tsy hijangajanga hianao.
8
Tsy hangalatra hianao.
9
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao hianao.
10
Tsy hitsiriritra ny tranon'ny namanao hianao, tsy hitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona amin'ny zavatry ny namanao."
Commentaires
Enregistrer un commentaire