LESONA 19
Ny fanjakana rehetra dia tsy maintsy manana lalàna, mba hiarovany ny rariny ho an'ny vahoakany. Raha voadika ireny lalàna ireny dia tsy maintsy misy fitsarana. Rehefa hita fa meloka ilay notsaraina dia misy sazy ahatra aminy, arakaraka ny haben'ny fandikan-dalàna nahameloka azy. Tsy misy azo sazina na iza na iza, ary na amin'ny inona na amin'ny inona, raha toa ka tsy misy lalàna mandrara izay ataony. Ka dia tsy marim-pototra indrindra ny finoan'ny olona sasany milaza fa foana teo amin'ny hazo fijaliana ny Didy Folo. Ny Didy Folo no lalàm-panorenan'ny fanjakan'Andriamanitra nomena ho an'ny olona; koa ny fanafoanana ny Didy Folo dia fanafoanana an'io fanjakana io sy fanozongozonana ny seza fiandrianan'ny Avo indrindra. Ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra no atao hoe fahotana.
1-Tamin'ny fomba nanao ahoana no nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo?
Valiny. "Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory hianareo. Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo; ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo" (Deo. 4: 12, 13).
2- Ny toetran'iza no hita ao amin'io lalàna io?
Valiny. Ny lalàn'Andriamanitra dia maneho ny toetran'Andriamanitra sy ny sitrapony. "Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso" (Sal. 19: 7, 8). "Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara" (Rom. 7: 12).
3- Inona no ilaina amin'izay te-hiditra amin'ny fiainana?
Valiny. "Raha te-hiditra amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy" (Mat. 19: 17). Izay te-hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia rariny raha mitandrina ny lalàn'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny fitandremana ny lalàna anefa dia tsy fitadiavana ho olon'Andriamanitra, fa porofon'ny maha-olon'Andriamanitra.
4- Inona no atao hoe fahotana?
Valiny. Ny fandikana ny didin'Andriamanitra, satria "izay rehetra manota no mandika ny lalàna" (1Jao. 3: 4).
5- Misy azo avela ny iray amin'ny Didy Folo?
Valiny. "Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra. Fa ilay nanao hoe: Aza mijangajanga no nanao hoe koa: Aza mamono olona. Fa raha tahiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpadika ny lalàna hianao" (Jak. 2: 10, 11).
6- Mitoetra mandrakizay ve ny Didy Folo? Satria nahoana?
Valiny. Tsy olombelona Andriamanitra ka hiovaova; tahaka izany koa ny lalàny, izay efa tanteraka ka tsy mila fanovana. "Mahatoky ny didiny rehetra; mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana" (Sal. 111: 7, 8).
7- Tsy nandrava ny lalàn'Andriamanitra ve izany Kristy?
Valiny. Raha nandrava ny lalàn'Andriamanitra Kristy dia fahavalon'Andriamanitra. Ny nahafatesany mba hanavotana ny mpadika lalàna, dia porofon'ny tsy fiovan'ny lalàna, izay mitaky ny fahafatesan'ny mpandika lalàna. Tsy tonga handrava ary Kristy, fa ny hampianatra ny olona ny tena toetry ny lalàna aza sy ny sitrapon'ny Rainy. "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna ..." (Mat. 5: 17, 18). "Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna" (Lio. 16: 17).
8- Moa ary ve tokony hitandrina ny Didy Folo ny olona?
Valiny. Eny. "Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra" (Mp. T. 12: 13).
Ny fahatahorana an'Andriamanitra dia tsy mitovy amin'ny fahatahorana polisy tsy akory. Fantatsika fa ny antony nanomezan'Andriamanitra antsika ny didiny, dia ny hahasambatra antsika sy ny hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Koa na olombelona aza no tia antsika, tsy hahatahotra ve ny manao zavatra tsy ankasitrahany?
9- Inona isika raha mihambo ho Kristiana nefa mandika ny Didy Folo?
Valiny. "izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny" (1Jao. 2: 4). Hoy ny Tompo "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko" (Jao. 14: 15).
< LESONA 18 LESONA 20 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire