LESONA 18
Ny fanoloran-tena hiaraka amin'Andriamanitra dia azo oharina amin'ny fanambadiana. Misy fifanekena ary misy koa adidy tsy maintsy ataon'ny andaniny sy ny ankilany, mba haharetan'ny tokantrano. Indray mandeha ihany anefa no atao ny fampakarana; dia tahaka izany koa, indray mandeha ihany ny mpanota no hamarinina dia ampy izay. Ny fiainana manaraka ny fampakarana dia azo oharina amin'ny fanamasinana; maharitra mandra-pahafaty izany sy mampifanatona akaiky kokoa isan'andro isan'andro.
1- Manafoana ny lalàn'Andriamanitra ve ny fanamarinana amin'ny finoana?
Valiny. Ny atao hoe olona hamarinina amin'ny finoana dia olona nanaiky hivelona araka ny lalàn'Andriamanitra, ka noho izany, tsy manafoana ny lalàna izy fa vao mainka mampitoetra azy aza. "Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika" (Rom. 3: 31).
2- Inona no maha-samihafa ny fahamarinana sy ny fanamasinana?
Valiny. Ny fanamarinana dia tahaka ny fampakaram-bady: an'Andriamanitra isika, sady Azy hatramin'ny farany, raha tsy hoe angaha minia misaraka Aminy. Ny fanamasinana kosa dia tahaka ny fiainan'ny mpivady: Andriamanitra dia mampianatra antsika ny sitrapony, isika kosa miezaka hanao izany. Ny fanamarinana dia vita ao anatin'ny indray mipi-maso. Ny fanamasinana kosa maharitra mandritra ny fiainana manontolo; tamin'ny fanamarinana, isika dia nisaina ho olo-marina, fa amin'ny fanamasinana kosa dia ampianarina ho tena olo-marina isika.
3- Zava-dehibe ve ny fanamasinana?
Valiny. Ny fanamasinana no tarigetran'ny fiainana kristiana. "Araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo dia aoka mba ho masina koa hianareo amin'ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: Ho masina hianareo, satria masina Aho" (1Pet. 1: 15, 16). "Fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo" (Heb. 12: 14).
5- Inona izany no anjarantsika mba haharetana ao amin'ny finoana?
Valiny. "Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa" (Kol. 2: 6).
< LESONA 17 LESONA 19 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire