LESONA 17
Tsy hisy ho voavonjy noho ny fahamarinan'ny tenany, na iza na iza, satria ny fahamarinan'ny olona dia fahamarinan'olona mpanota, ka noho izany tsy hahaloa na oviana na oviana ny fitakian'ny lalàn'Andriamanitra voadika. Tsy azontsika atao ny hanana asa tsara sy fahamarinana sitrak'Andriamanitra, raha tsy amin'ny alalan'i Kristy, Ilay Marina.
Noho ny fitiavany lehibe, dia nangoraka antsika Andriamanitra, ka mba hahazoany mamonjy ny olombelona dia nirahiny ny Zanany hitondra fahamarinana ho antsika sy hanala amintsika ny fahadisoantsika. Raha mino ny asa nanirahana an'i Jesosy tety an-tany isika, ka mandray Azy ho Mpamonjy antsika, dia ny fahamarinan'i Kristy no hisain'Andriamanitra ho fahamarinan-tsika, ary ny fahafatesany ho avotry ny fahafatesan-tsika. Izany no atao hoe fanamarinana amin'ny finoana.
1- Ahoana ihany no mety hahavoavonjy antsika?
Valiny. Noho ny finoana ihany. "Tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika" (Tit. 3: 5).
2- Nahoana isika no tsy azo vonjena amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra?
Valiny. Satria tsy voatandrintsika arak'izay ilàn'Andriamanitra azy ny lalàny, ka dia ho very avokoa isika raha miantehitra amin'ny lalàna. Ny nofo dia tsy afaka hitandrina ny didy, "satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany" (Rom. 8: 7).
3- Manao ahoana izany ny toetry ny olona sy ny toetry ny lalàna?
Valiny. Ny lalàna dia masina, tsara, marina ara-panahy; isika kosa nofo, mirona mandrakariva ho amin'ny ota (Rom. 7: 12, 14).
4- Iza irery ihany no marina?
Valiny. "Tsy misy marina na dia iray akory aza" (Rom. 3: 9), afa-tsy "Jesosy Kristy Ilay Marina" (1Jao. 2: 1).
5- Rehefa mino an'i Jesosy isika, dia tonga inona amintsika Izy?
Valiny. "Jehovah Fahamarinantsika" (Jer. 23: 6). Rehefa mino isika, dia Andriamanitra amin'izay no manapaka ny fiainantsika sy mitaiza antsika tahaka ny zanaka. "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony" (Fil. 2: 13).
Commentaires
Enregistrer un commentaire