LESONA 16
Rehefa mibebaka sy miaiky ny fahotany ary miova fo ny olona, dia mampanantena kosa Andriamanitra fa hamela ny helony. Ny Baiboly dia milaza fa hamela antsika tanteraka Izy. Tsy misy fahotana ratsy loatra ka tsy ho voadion'ny ran'ny Mpamonjy. Tsy misy olona latsaka ambany loatra ka tsy ho tratry ny sandrim-pitiavany. Ny atao hoe famonjena dia ny famelana ny fahadisoantsika.
1- Iza avy no nomen'Andriamanitra fahefana hamela ny fahotan'ny olona?
Valiny. a) - Ny tenantsika, raha toa ka tamintsika no diso ny rahalahintsika. "Ary aoka samy ... hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo" (Efes. 4: 32); b) - ny fiangonana raha diso taminy ny iray amin'ny mambra. "Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako koa", hoy Paoly Apostoly (2Kor. 2: 10); d) - Andriamanitra, satria Izy no mamela heloka amin'ny ankapobeany. "Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra ihany" (Lio. 5: 21).
Noty: Izany fampianarana izany no nambaran'i Kristy raha hoy Izy: "Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra" (Mat. 18: 15- 18).
2- Rehefa mibebaka sy miverina amin'Andriamanitra isika dia inona no ataony?
Valiny. "Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin'Andriamanitra, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy" (Isa. 55: 7).
3- Nahoana Andriamanitra no mamela ny fahotantsika?
Valiny. Satria tia antsika tahaka ny fitiavan'ny ray ny zanany Izy. "Izaho dia Izaho no namono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako" (Isa. 43: 25).
4- Manao ahoana ny fahatanterahan'ny fanesorany fahotantsika amintsika?
Valiny. "Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika" (Sal. 103: 12). "Harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra" (Mika 7: 19). "Tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Heb. 8: 12). Rehefa mamela Andriamanitra dia mamela, fa tsy handatsa antsika indray. Fa ny tokony hampanahy antsika dia "ny ota izay malaky mahazo antsika", izay tokony hiadiantsika mafy (Heb. 12: 1).
5- Moa ve misy olona efa ratsy loatra ka tsy azon'Andriamanitra avela intsony?
Valiny. Tsia. "Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy" (Isa. 1: 18). "Izay manatona Ahy, dia tsy mba ho laviko mihitsy" (Jao. 6: 37).
< LESONA 15 LESONA 17 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire