LESONA 15
Tsy tokony hibebaka sy handao ny fahotany fotsiny ny mpanota, fa tokony ho voaova fo koa. Ny hevitry ny hoe miova fo, dia miova làlana tanteraka, ka raha nianatsimo teo aloha, dia mianavaratra ankehitriny. Misy fiovana tanteraka tahaka izany izay noharin'i Jesosy amin'ny fahateraham-baovao, eo amin'ny fiainan'y kristiana nanaiky marina an'i Kristy. Ireo fahazarana ratsy teo aloha dia afoy, ary fahazarana tsara vaovao no raisina. Ny Fanahy Masina miasa miandalana ao am-po no mahavita izany. Ny Tenin'Andriamanitra, izay nanao izao tontolo izao, dia manan-kery hanova koa ny fon'ny mpanota. Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy ho voavonjy.
1- Inona no tonga aorian'ny fibebahana?
Valiny. "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo" (2Kor. 5: 12).
2- Noharin'i Kristy amin'ny inona ny fiovam-po, ary manao ahoana ny mahazava-dehibe azy?
Valiny. "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra" (Jao. 3: 3).
3- Azon'ny tenantsika atao ve ny hanova ny fontsika?
Valiny. Tsia, fa asan'Andriamanitra izany. "Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lo, fa tamin'ny tsy mety ho lo, dia ny Tenin'Andriamanitra izay velona sady maharitra" (1Pet. 2: 23).
"Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa hianareo efa zatra nanao ratsy" (Jer. 13: 23).
4- Ahoana no ahafantarantsika fa efa voaova fo isika?
Valiny. "Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy fanarahana; izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo. Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolom-po, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; ary notafianareo ny toetra vaovao, izay endrik'Izay nahary azy" (Kol. 3: 5- 10).
5- Inona no marika lehibe indrindra ahafantaran'ny olona hafa fa niova fo isika?
Valiny. "Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia" (Jao. 13: 35).
< LESONA 14 LESONA 16 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire