LESONA 14

FIBEBAHANA SY FIAIKEN-KELOKA

Nilaza tamin'ny mpianany Jesosy mba handeanany hitory eran'ny firenena rehetra ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Jesosy dia nahavita ny anjarany tamin'ny famonjena ny olona. Misy zavatra sasany izay anjaran'ny mpanota. Voalohany tsy maintsy mibebaka noho ny fahotany izy. Ny fibebahana, izay tsy tonga noho ny sitrapon'ny olona fotsiny, fa toy ny fanomezana avy amin'Andriamanitra, dia alahelo noho ny fahotana sy fitadiavana fahamarinana. Ny fibebahana dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiaiken-keloka sy ny finiavana hiala amin'ny fahotana. Ny fahotana rehetra dia tsy maintsy ekena eo anatrehan'Andriamanitra avokoa. Nefa ny ratsy vita tamin'ny namana dia tsy maintsy itsorana aminy sy onerana, raha ilaina izany. Ny mpanota mibebaka dia tokony hangataka fo vaovao amin'Andriamanitra.

1- Inona no tsy maintsy ataon'ny mpanota mba hahavoavela ny helony?
Valiny. "Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo" (Asa. 3: 19).

2- Inona no mitarika ny mpanota hibebaka?
Valiny. Ny fahitantsika fa tia antsika sy mahari-po amintsika Andriamanitra dia mitaona antsika hihavana Aminy sy tsy hanao izay mampalaelo Azy. "Ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka" (Rom. 2:4).

3- Inona no mampiseho fa nibebaka marina tokoa ny mpanota?
Valiny. Nibebaka marina tokoa izy raha niaiky ny fahotany sy miady mafy tsy hanao izany intsony fa hanao ny mahafinaritra an'Andriamanitra kosa. Ary izay mitsotra ka mahafoy ny fahotany dia hahazo famindrampo.

4- Amin'iza avy no hiaikentsika ny fahotana vitantsika?
Valiny. a) - Amin'Andriamanitra, satria ny ota rehetra dia mikasika Azy mivantana. "Taminao dia taminao ihany no nanotako" (Sal. 51: 4); b) - Amin'ny namantsika izay nanaovantsika fahadisoana (Mat. 5: 24; Jak. 5: 16); d) - Amin'ny Fiangonana, na antokon'olona, raha meloka tamin'ny be sy ny maro tahaka izany isika (Jao. 13: 38 ampifandraisina amin'ny Jao. 21: 17).

5- Raha nahatonga fatiantoka tamin'ny namantsika ny nataontsika, dia inona no adidintsika?
Valiny. "Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: ... raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena" (Lio. 19: 8, 9).

6- Inona no adidintsika amin'izay meloka tamintsika?
Valiny. Andriamanitra dia marina indrindra sy masina indrindra, kanefa mahazaka antsika sy mamela antsika. Ka dia arakaraka ny anahafantsika an'Andriamanitra no ahaizantsika mamela heloka koa. "Fa raha hianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo" (Mar. 11: 25, 26).

7- Inona no toky omena izay miaiky ny helony amin'ny fahatsora-po?
Valiny. Tsy misy fahotana, na inona na inona, itsorana ka tsy havelan'Andriamanitra. "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra" (1Jao. 1: 9).



< LESONA 13                                                                                                                LESONA 15 >

Commentaires

Articles les plus consultés