LESONA 13
Tombon-tsoa
lehibe ny niaraka tamin'i Jesosy raha teto an-tany. Nefa nolazainy fa
tsara kokoa raha mandeha Izy mba hahazoan'ny Fanahy Masina ho avy. Ny
Fanahy masina mantsy dia tsy mba mitafy nofo tahaka Azy, hany ka mety ho
tonga na aiza na aiza, ary na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana
inona. Miasa ao am-pon'ny mpanota Izy, mba hampiaiky azy ny amin'ny
fahotany. Mitarika ny saina ho amin'ny fahamarinana Izy. Mampiaiky ny
fitsarana ho avy antsika Izy rehefa manao ny tsy mety isika. Manampy
antsika amin'ny fivavahantsika Izy.
Tsy hery fotsiny avy amin'Andriamanitra ary tsy akory ny Fanahy Masina fa Persona manokana mihitsy, tahaka ny Ray sy ny Zanaka, Izay manana ny toetra rehetra maha-Andriamanitra. Mpamorona Izy (Joba 33: 4), Mpanavotra (Jao. 3: 5), mandrakizay (Heb. 9: 14), fahamarinana (1Jao. 5: 6), amin'ny toerana rehetra (Sal. 139: 7- 10), manana ny hery rehetra (1Kor. 2: 10), ets ... Toy izany no maha-Telo Izay Iray an'Andriamanitra: telo Izy satria samy Persona miavaka tsara, fa iray kosa amin'ny toetrany sy ny fombany rehetra ( Mat. 3: 16, 17; 2Kor. 13: 14).
1- Amin'ny fomba manao ahoana no itoeran'i Kristy eo amin'ny olony?
Valiny. Eo amintsika Izy amin'ny alalan'ny Fanahiny. "Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana ... Tsy hamela anareo ho kamboty Aho" (Jao. 14: 16- 18).
2- Inona no asan'ny Fanahy Masina?
Valiny. Mampiaiky antsika ny fahotantsika Izy, mampibebaka antsika, manampy antsika hanao ny marina sy handresy ny fahotana. "Ary raha tonga Izy dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ... Dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra". (Jao. 16: 8 - 13).
3- Zanak'iza izay tarihin'ny Fanahy Masina?
Valiny. "Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra" (Rom. 8:14).
4- Inona no mampiseho na manana ny Fanahy Masina isika na tisa?
Valiny. Hita eo amin'ny fiainantsika ny vokatry ny asany ao anatintsika. "fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po" (Gal. 5: 22, 23).
5- Inona no anafatrafarana antsika tsy hatao?
Valiny. Hafatrafarana isika tsy hanohitra mandrakariva ny asan'ny Fanahy Masina ao anatintsika, ka hanao izay mampalaelo Azy. "Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana" (Efes. 4: 30).
6- Hahazo famelan-keloka ve ny olona mampalahelo ny Fanahy Masina?
Valiny. Tsia, satria raha mandà isan'andro isan'andro tsy hihaino Azy isika, dia ho tonga mafy indrindra ny fontsika ka tsy ho afaka handre ny feony intsony; ary ny Fanahy koa, Izay notenenin-dratsy arak'izany, dia handao antsika. Rehefa izany no mitranga dia tsy hisy hahatarika antsika amin'ny fibebahana intsony na inona na inona; koa anefa raha tsy misy fibebahana dia tsy misy famelan-keloka. Koa "tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina" (Mat. 12: 31).
< LESONA 12 LESONA 14 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire