LESONA 12

NY TOMPO SY MPANJAKANTSIKA

Jesosy Kristy Zanak'Andriamanitra no Mpanapaka ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany. Izy no Mpanjakan'ny mpanjaka. Andriamanitra Rainy no nanome Azy izany fahefana izany. Andriamanitra no namorona an'ity tany ity tamin'ny alalany. Jesosy Mpanjaka lehibe dia mahita sy manaraka izay rehetra ataontsika, ary mahafantatra izay ao an-tsaintsika. Tahaka ny Rainy dia tia antsika koa Izy. Izany Mpanjaka marina sy be fitiavana izany dia tokony hohajaina sy hankatoavina.

1- Toerana ambony inona no nomen'Andriamanitra ny Zanany?
Valiny. Nataony Mpanjaka miara-manjaka aminy Izy. Izany no tiana hambara amin'ny hoe: "Tamin' ... ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra, ... dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy" (Efe. 1: 20, 21).

2- Manao ahoana ny fahalehibiazan'ny fanjakany?
Valiny. "Ny fanjakany manapaka izao tontolo izao" (Sal. 103: 19). Ankehitriny dia anjely mpikomy sy ny olombelona no manapaka ny tany. Na dia izany aza anefa, Andriamanitra no tena Tompom-pahefana; sady ny zavatra kendreny rahateo dia ny hanala ny fanjakana avy eo am-pelatànan'ny fahavalony.

3- Mandrakizay tahaka an'Andriamanitra ve Kristy?
Valiny. Eny, araka ny voasoratra hoe: "Ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian'ny fiadanana" (Isa. 9:5, Baib. Kat.).

4- Manam-petra ve ny fahalalany?
Valiny. Tsia. Mahalala ny zavatra, rehetra Izy "Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra" (Kol. 2: 3).

5- Mpahary tahaka an'Andriamanitra Ray ve ny Zanany?
Valiny. Eny. "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany" (Kol. 1: 16).

6- Andriamanitra fitiavana ve Kristy?
Valiny. Eny, tia antsika tamin'ny fitiavana tapitr'ohatra izy. "Ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany" (Efes. 5: 2).

7- Manao ahoana no tokony hiheverantsika ny Zanaka?
Valiny. "Mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray" (Jao. 5: 23).



< LESONA 11                                                                                                                  LESONA 13 >

Commentaires

Articles les plus consultés