LESONA 11

NY NITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY

Satria tsy nanota Jesosy, ary satria koa nanana fiainana ho Azy Izy, dia tsy azon'ny fahafatesana nohazonina. Tamin'ny andro fahatelo dia nitsangana Izy, rehefa nofohazin'ilay anjely nirahina avy any an-danitra. Ny tenany koa avy eo dia niseho nandritry ny efa-polo andro tamin'ny olona. Azo nojerena ny holatra teo amin'ny tànany sy ny tongony ary ny lanivoany. Naharesy ny fasana Jesosy. Ny fitsanganany tamin'ny maty dia toky ho antsika fa hitsangana amin'ny maty koa isika, raha miaraka Aminy.

1- Nahoana no nandresy ny fasana Kristy?
Valiny. Tsy nanana ota Izy, ka noho izany tsy nananan'ny fahafatesana fahefana; ary nanana fiainana ho Azy Izy ka tsy laitrany nohazonina. (Asa. 2: 24; Apok. 1: 18).

2- Ahoana no ahafantarantsika fa nitsangana tamin'ny maty Kristy?
Valiny. Vavolombelona maro no nahita izany. "Sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro" (Asa. 1: 3).

3- Nankaiza Izy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty?
Valiny. Niverina any an-danitra. "Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo ... satria mankany amin'ny Ray Aho" (Jao. 16: 17)

4- Satria nitsangana tamin'ny maty Krisy, dia fanantenana inona no ananan'i Kristiana?
Valiny. "Nefa tsy izany, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy" (1Kor. 15: 20- 22).

5- Inona izao no ataony any an-danitra ho antsika?
Valiny. Misolo vava antsika sy mifona ho antsika Izy amin'ny anaran'ny fahamarinany sy ny fahamendrehany. "Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ho antsika" (heb. 9: 24).

6- Inona no azon'i Kristy atao amintsika arak'izany?
Valiny. Manampy antsika handresy ny fahotana sy hanana fiainana vaovao Izy. Izany dia azo oharina amin'ny fitsanganana amin'ny maty mihitsy, saingy fitsanganana ara-panahy, "izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty" (Kol. 2: 12).



< LESONA 10                                                                                                                 LESONA 12 >

Commentaires

Articles les plus consultés