LESONA 10

TONGA OLOMBELONA NY TOMPONTSIKA

Tonga ny fotoana hidinan'ny Tompontsika teto an-tany. Ilay nanome ny lalàna no tonga zao hitandrina ny lalàna nataony, mba hampisehoany ny maharariny ny fanjakan'Andriamanitra sy hamonjeny ny mpanota izay efa tsy mahay mitandrina izany intsony. Nesoriny tamin'ny tenany ny fitoviany tamin'Andriamanitra, fa tsy ny maha-Andriamanitra Azy tsy akory, ary nanetry ny tenany Izy ka tonga olona tahaka ny iray amintsika. Andriamanitra nitafy nofo aman-dra Izy. Ny herin'ny Fanahy Masina no nanorontoronina Azy tao an-kibon'i Maria virijina. Ka dia sady tena Andriamanitra Izy no tena Olona koa, ka afaka nanambara an'Andriamanitra tamin'ny olona sy mijoro ho Solontenan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra.

Ny anarany dia natao hoe Jesosy, ary ny hevitr'izany dia hoe Mpamonjy. Jaona Mpanao batisa dia nilaza fa Izy no "Zanak'ondrin'Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao". Ireo biby naterin'ny jiosy ho fanatitra dia nampiseho an'i Kristy. Izy no Zanak'ondry naterina noho ny fahotantsika. Teo amin'ny fanompoam-pivavahana isiraelita, dia ny mpanota mihitsy no namono ny biby nateriny; toy izany koa, ny tànantsika mihitsy no namono an'i Kristy tamin'ny fahotantsika. Nentiny ny fahafatesantsika, ary itafiantsika kosa ny fiainany. Ny fahafatesana nahatran'i Satana taminy, dia nanome alalana Azy handevona an'i Satana sy hamarana ny fanjakan'ny fahotana sy ny fikomiana.

1- Fomba manao ahoana no nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho olombelona?
Valiny. "Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka hatao hoe Zanak'Andriamanitra" (Lio. 1: 35).

2- Iza no anarany?
Valiny. "Hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany" (Mat. 1: 21). Nantsoina hoe "Imanoela" koa izy, izany hoe raha adika: "Amintsika Andriamanitra" (Mat. 1: 23).

3- Inona no nolazain'i Jaona Mpanao batisa ny amin'i Kristy?
Valiny. "Indro, ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao" (Jao. 1: 29).

4- Nanao ahoana no nanesorana ny fahotantsika tamintsika?
Valiny. Noho ny toetra manaranaka dia nandova ny fahotana sy ny fahafatesana tao amin'i Adama isika; noho io antony io ihany koa anefa no ahazoantsika mandova ny fahamarinana sy ny fiainana ao amin'i Kristy. "Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray" (Rom. 5: 19).

5- Noho ny fahotan'iza izany no nijalian'i Kristy sy nahafatesany?
Valiny. "Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika" (Isa. 53: 5).



< LESONA 9                                                                                                                    LESONA 11 >

Commentaires

Articles les plus consultés