LESONA 9

PLANA NATAON'ANDRIAMANITRA HAMONJENA NY OLONA

Tsy afaka hiala samirery amin'ny herin'ny Satana izay nahalasa babo azy ny olombelona. Nampanantena anefa ny Tompo fa hanafaka antsika. Ny ainy mihitsy no nataony Avotra ho antsika, satria tsy azony natao ny hanova ny lalàny, na ny hijanona tsy hanafay ny mpanota. Nefa ny ain'ny Tompotsika dia be vidy lavitra noho ny ain'ny mpanotra rehetra. Koa tamin'ny nahafatesany nisola voina antsika, dia maty ho an'ny mpanota rehetra tsy misy ankanavaka Izy, sy afaka hamela ny helony rehetra. Ny rany no manafaka amin'ny fahotana ny mpanota mibebaka, sady mahavonjy antsika ho afaka amin'ny herin'y ota koa Izy. Izany no ataony amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina, Izay miasa ao am-pon'izay mino. Koa raha mandray Azy isika, dia Izy no manova ny fiainantsika ho marina.

1- Inona no tamibin'ny ota?
Valiny. "Fa fahafatesana no tambin'ny ota" (Rom. 6: 3). Io fahafatesana io dia tsy izao fahafatesana voalohany iarahantsika mahita izao loatra, fa ilay fahafatesana mahatsiravina hihatra amin'ny mpanota tsy mibebaka, vokatry ny fitsaran'Andriamanitra, dia ny fahafatesana faharoa izany, izay mbola hodinihintsika ny aminy.

2- Moa ve efa voaloa izany sazy izany?
Valiny. Eny, tamin'ny nahafatesan'i Kristy, Izay "nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo" (1Pet. 2: 24).

3- Nahoana no Kristy irery no afaka hamonjy antsika?
Valiny. Ny fahafatesana mahazo ny olona rehetra dia valin'ny nataony ihany. Fa tsy tahaka izany kosa ny fahafatesan'i Kristy: ny fiainany dia tsy voakasi-pahotana, ka tsy misy antony tokony hahafatesany, raha tsy noho ny fitiavany antsika ihany. Noho izany antony izany, dia "tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena" (Asa. 4: 12).

4- Iza avy no tian'i Kristy hovonjena?
Valiny. Maty nisolo ny olona rehetra Izy; izany hoe mety ho voavonjy daholo ny olona rehetra. Manaja antsika anefa Izy ka tsy manery antsika hanaraka Azy; izay tia Azy ihany sy mino ny fanavotany, no ho azony vonjena. (2Pet. 3: 9).

5- Manao ahoana ny fahafenoan'ny famonjen'i Kristy?
Valiny. "Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy" (Heb. 7: 25).

6- Moa ve nampanantenaina Adama sy Eva fa homena Mpamonjy?
Valiny. Eny. Kristy no Ilay taranaky ny vehivavy handresy ny taranaky ny menarana, voalaza ao amin'ny Genesisy 3: 15

7- Nanao ahoana ny nahatanterahan'izany teny fikasana izany?
Valiny. "Fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, hanavotany izay ambanin'ny lalàna" (Gal. 4: 4, 5). "Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly" (Heb. 2: 14).

8- Iza avy no afaka hanelanelana antsika amin'Andriamanitra, araka ny planan'Andriamanitra?
Valiny. "Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" (Jao. 14: 6).



< LESONA 8                                                                                                                  LESONA 10 >

Commentaires

Articles les plus consultés