LESONA 8

NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY

Tsy dia zava-dehibe amin'ny Kristiana ankehitriny ny fitsanganan'ny maty; ary ny mpitondra fivavahana aza dia efa nanova ny hoe fitsanganan'ny maty, amin'ny hoe fitsanganan'ny tena amin'ny maty, dia fombam-pitenenana izay tsy fantatry ny Baiboly akory. Raha toa ka efa any an-danitra tokoa ny fanahy, inona indray moa no ilana ny fitsanganana amin'ny maty? Ny mahazendana aza dia ny anaovan'ny olona pilia-vava fa mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty Kristy, kanefa izy ihany koa no milaza fa mody any amin'ny Ray izay maty. Ka dia nanjary maivana dia maivana ny finoana ny fiverenan'i Kristy fanindroany, mba hamaly ny olona rehetra araaka ny asany avy.

Hisy fitsanganan'ny tsara fanahy, hitondra azy any any an-danitra; ary hisy koa fitsanganan'ny ratsy fanahy, hamaizana azy ao anaty afobe araka ny haratsiana nataony. Alohan'ny fitsanganana ary dia tsy maintsy misy fitsarana. Raha tao am-pasany ny Tompo dia izay rehetra naha-Izy Azy no tao am-pasana; ary nony nitsangana Izy dia izay rehetra naha-Izy Azy no nitsangana. Izany no antony nilazany Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho" (Jao. 20: 17). Ho tahaka an'i Kristy koa isika.

1- Noharin'i Kristy tamin'ny inona izao fahafatesana izao izay itovian'ny ratsy sy ny tsara?
Valiny. "Matory Lazarosy sakaizantsika; fa andeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. Nefa Jesoy nilaza ny fahafatesany" (Jao. 11: 11- 14).

2- Iza irery no naharesy ny fahafatesana tamin'ny herin'ny tenany?
Valiny. "Hoy Izy: "Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona: efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita" (Apok. 1: 18).

3- Zava-dehibe amin'ny Kristiana ve ny fitsanganana amin'ny maty? Satria nahoana?
Valiny. Satria maty koa ny fanahy rehefa maty ny olona, dia asehon'ny Baiboly ny maha-zava-dehibe indrindra ny fitsanganana amin'ny maty. "Foana" ny finoantsika an'i Kristy, ary "very avokoa" izay efa maty tao amin'ny Tompo, raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty. (1Kor. 15: 16- 18).

4- Zava-dehibe amin'ny ratsy fanahy ve ny fitsanganana amin'ny maty?
Valiny. Ny ratsy fanahy, rehefa voatsara sy voafetra ny saziny, dia hatsangana amin'ny maty, mba handraisany ao amin'ny tenany ny famaizana azy, ary rehefa izany dia samy ho levona tsy hisy avokoa izy rehetra. "Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo amin'ny bokin'ny fiainana dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy" (Apok. 20: 14, 15).

5- Misy firy izany ny fintsanganana amin'ny maty?
Valiny. Roa. "Hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka" (Asa. 24: 15).

6- Rahoviana no hitsangana ny marina?
Valiny. Amin'izao fiverenan'i Kristy izao. "Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy ... Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany" (1Kor. 15: 22, 23)

7- Rahoviana kosa no hitsangana ny ratsy fanahy?
Valiny. Rehefa afaka arivo taona aorian'ny an'ny tsara fanahy. "Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona" (Apok. 20: 5).

8- Afaka ho any an-danitra amin'izao tenantsika izao ve isika?
Valiny. Tsia. Tsy maintsy hovana aloha ny tenan'ny marina, satria "ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra ... fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra" (1Kor. 15: 50, 52).

9- Moa ve mbola ho faty indray ny marina efa nitsangana?
Valiny. "Sambatra ny masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana" (Apok. 20: 6).



< LESONA 7                                                                                                              LESONA 9 >

Commentaires

Articles les plus consultés