LESONA 25

NY SABATA KRISTIANA

Raha tonga teto an-tany Kristy dia tsy nanova tamin'ny lalàn'ny Rainy Izy na dia litera iray aza, fa nitandrina tsara azy rehetra sy nampianatra ny olona hitandrina izany koa arak'izay tokony ho izy. Naneho ny tena toetry ny lalàna'Andriamanitra Izy sy nanaisotra ny fakofako nanavesaran'ny mpitondra fivavahana azy. Ny Sabata, ohatra, dia nolaroan'ny Jiosy fombafomba sy didin'olombelona maro izay nahatonga azy ho zioga teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Nesorin'i Kristy ireny, ary lehibe loatra ny fiheverany ny Sabata ka tsy niova fenitra Izy, na dia notadiavi'ny Jiosy hovonoina aza noho ny fanitsiana nataony.

Na Kristy na ny Apostoly dia tsy nitandrina na oviana na oviana ny Alahady ho solon'ny Sabata. Tsy marina na ara-Baiboly, na ara-tantaran ny filazana fa Kristy sy ny Apostoly no namindra ny fitandremana ny Sabotsy ho amin'ny Alahady.

1- Andro inona amin'ny herinandro no atao hoe andron'ny Tompo?
Valiny. Ny Sabotsy no andron'ny Tompo. "Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona" (Mat. 12: 8). Satria an'ny Tompo ny Sabata, dia mazava loatra fa ny Sabata no andron'ny Tompo.

2- Sabatan'iza ny Sabotsy?
Valiny. "Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao" (Eks. 20: 10). Izany hoe tsy Sabatan'ny Jiosy izany, na Sabatan'antokom-pinoana iray.

3- Fomba nahazatra an'i Kristy ve ny niangona Sabotsy?
Valiny. Eny. "Ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny" (Lio. 4: 16).

4- Fomba nahazatra ny Apostoly ve ny niangona Sabotsy?
Valiny. Eny. "Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao" (Asa. 17: 2).

5- Moa ve ny hafa firenena tonga Kristiana niangona Sabotsy?
Valiny. Eny. "ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny Jentilisa" (Asa. 18: 4).

6- Ny Fiangonana kristiana voalohany ve izany niangona Sabata?
Valiny. Eny. "Tany Antokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe Kristiana". Ny fiangonan'i Antokia anefa dia nitandrina ny Sabata. (Asa. 11: 26; 13: 1, 14).

7- Raha naminany ny amin'ny handravana an'i Jerosalema Jesosy, dia inona no nasainy nangatahin'ny mpianatra tamin'ny fivavahana?
Valiny. "Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo". Mat. 24: 20. Io fandravana io dia niseho tamin'ny taona faha -70, izany hoe 40 taona taorian'io nitenenan'i Jesosy io. Koa tao an-tsain'ny Tompo ary dia tsy nisy fanovana ny Sabata tamin'ny andron'ny Apostoly.

8- Nahoana Kristy no niandry ny Alahady vao nitsangana tamin'ny maty?
Valiny. Satria araka ny didin'Andriamanitra dia tsy maintsy nitsahatra Izy ny Sabotsy. Ny finiavan'ny Tompo nitsangana tamin'ny Alahady izany dia porofon'ny fahamasinan'ny Sabata eo an-kilany, ary fampisehoana ny maha-andro tsotra ny Alahady eo an-daniny.

9- Nahoana ny mpanaraka an'i Kristy no niandry ny Alahady vao nankany amin'ny fasana?
Valiny. Satria "tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny" (Lio. 23: 56; 24: 1).




< LESONA 24                                                                                                               LESONA 26 >

Commentaires

Articles les plus consultés